Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 13h23
 

Répondre à un commentaire

30 juin 2020 à 20:55 | ASSISE (#10453)

Mampalahelo isika e !

Raha niziriziry isika nilaza fa milamina ary voafehy ny valan’aretina, hatrany amin’ny volana Martsa dia mahavarina ny fahitana ny fisehony ankehitriny.

Ny aretina : mihanaka eran’ny tànàna. Tena voafaritra mazava tokoa ve ny faritra hiparitahany ? Tsy resahana ny fisalasalana eo amin’ny tarehi-marika mivoaka.

Ny fitaovana : trano fihibohona sy fitsabona, (EPI) fiarovana toy ny akanjo ny ny aro-tava sy ny pitsopitsony, ny fanafody. Ampy amin’ny filàna ve ?

Ny mpitsabo sy ireo mpanampy azy ireo amin’ny sehatra isan-karazany eo amin’ny lafiny fitsaboana. Vita fiofanana hiatrika ity valan’aretina ity ve izy ireo ? Raha ny feo mivoaka amin’izy ireo dia mitaky izany izy ireo. Tsy resahana ny tambim-bola tokony homena azy ireo noho ny antok’aina hatrehany.

Ny fahafatesana : manaraka ny fepetra ve ny fomba fandevenana ireo rehetra lazaina fa matin’ity tsimok’aretina ity.

Raha ny marina, tokony hatokana tsy hifampikasoka @ io valan’aretina io ny hôpitaly samihafa. Tara kely ve « Village Voara » ?

Mankasitra koa ny Minisitrin’ny Vola nilaza mazava ary tsy nisorona nanambara fa tsy vonona amin’ny fanampina ny Fanjakana. Tsy mampitovy be fahatany amin’ny any ivelany. Ny fanampiana kely natao aza hoy izy tsy voafehy ary tena nanahirana.

Ireo no anisan’ny azo hamaritana raha VOAFEHY tokoa ny valan’aretina na tsia, indrindra ny fiantraikany amin’ireo rafitra rehetra mahakasika ny toe-karena sy ny sôsialim-bahoaka.

Marina ny anareo ry Mpitsabo sy mpanampy ny mpitsabo, ny olon-tsotra saziana tsy miaro tena. Ianareo tsy omena fiarovan-tena anefa miatrika mivantana ny loza.

Takio ny fampiharana ny fepetra hanatanterahanareo ny andraikitrareo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS