Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 15h07
 

Répondre à un commentaire

30 juin 2020 à 12:16 | lanja (#4980)

Mirongatra ny aretina, mitombo ny maty, ny antony tena mahatonga izany dia tsy fantatry ny mpitondra sy ny mpomba azy velively , dia io izy lany andro manilika io : mafy hatoka hono ny olona eh , tsy mety migoka CVO hono ny olona eh , sns....
Dia manao izay saimpantany ny mpitondra, havadika tsindrona ny CVO, asa lotra, mety tsy ho afaka manda intsony ve izany ny olona sa ? alefa mandray andraikitra ny tafika , mitondra chars blindé mihitsy, mba enjanina hono izany ny fanarahamaso ny fanajana fepetra.
Marina aloha fa tokony samy handray ny andraikitra tandrify ny tsirairay , kanefa mazava be fa ireo latsaka ankady , sempotry ny fahasahiranana dia tsy afa manoatra, marobe izy ireo, jereo fa ny mpitsabo aza eto tsy mahaaro ny tenany , koa maika ve fa ny vavala be mandry mitady harapaka isan andro.

Etsy ankilanay anefa, fantatra fa efa anjatony tapitrisa dolara ny fanampiana azo.

Mety hifototra amin ny mpitondra ity fanilihana tsy misy farany any amin ny vahoaka ity, sady marary, naona , manampahoriana, kanefa fandatsàna isan andro no azo,
Sao mba tokony hanova fomba fiasa ihany, hatreto dia mibaribary fa tena tsy izy mihitsy , io miharatsy isan andro io ny raharaha , ny fanilihana isan andro any amin ny vahoka hitondra inona ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS