Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h38
 

Répondre à un commentaire

30 juin 2020 à 12:15 | valoha (#7124)

Tokony tsy ho zatra hiandry lava ny fitondrana misy sy zay lalana isika ! Za-dratsy ! Mila maka andraikitra sy mijery ny fiarahamonina mba hirindra hatrany. Ilay fanabeazana no hita fa tokony haverina ifotony, ary hanadinohana ny 35 taona ho avy manomboka zao ! Io fanabeazana io - fampianarana ny Malagasy hamakiteny sy hanoratra ny teny Malagasy Ofisialy - na tantsaha io, na mpanjono, na mpiasa madinika miaraka. Isam-pokontany manerana ny Nosy. Hifarimbonana sy hifanomezan-tananana avy hatrany fa tsy hiandrasana vola sy fitaovana avy any ivelany. Misy zay hilaina rehetra eto. Miaraka @ ny Soatoavina Malagasy(Fihavanana/Fomba Malagasy) izany. Tsy manakana ny paika sy ny fampandrosoana ankehitriny masoan’ny mpitantana zany akory. Afaka 35 taona isika miresaka indray raha tahin-Janahary sy velon’aina daholo. Hitsara antsika ny zanaka aman-jafy any afara any na mety na tsia zay atao ! Tsy fotoanan’ny fitokonana sy fanoarana be fahatany zao ! Ho tsarain’ny Tany sy ny Vahoaka isika zao @ zay fotoana zay. Tsy handripaka antsika intsony na ny areti-mandoza, na ny anoanana, na ny ady sy ny tsy fandriam-pahalemana, na ny abadoana - zay tetika ratsy andripahan’ny vaventy ny madinika eran-tany sy mampahantra lava. Rehefa manaraka ny Fomba amam-panao Malagasy, tsy manota ny Fady misy isika - dia hilamina ho tahian’Andriamanitra sy ny Razana ity Nosy ity sy ny Vahoaka ao aminy. Enga anie ka mba ho voatahiry ity lahatsoratra ity, ary hiara-hamaky azy ity indray isika zay ho velon’aina rehetra afara any ! Dia any isika mahita izy miaraky.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS