Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 01h25
 

Répondre à un commentaire

29 juin 2020 à 11:52 | Vohitra (#7654)

Rehefa hitany fa andohalika ny ranombary, dia nakarina indray ilay lefitra, atao misolo vaika ny ankalana, natao sorona hizaka ny kihana sy haneho doka sy dera ho an’ilay lehibeny…

Tsy mitsahatra mamoan-tsampona izy ireto amin’izay ataony rehetra, diniho kely anie e :

• Nolazaina ary omaly fa rehefa hivoaka ny fihobohana, dia efa fantatra hoy izy fa tsy maintsy hitombo ny isan’ny marary : koa raha fantatrao izany, koa nahoana no nivoaka ny fihobohana ? Sa tsy olana aminao intsony raha mihanaka ny aretina ? Fa angaha tsy fantatrao ny antsoina hoe « fahasalamambahoaka » ary e ?Dia vaky barara tsy azo nafenina intsony izany amin’iny filazana omaly iny fa tsy io fifehezana ny valanaretina tsy hihanaka io no laharampahamehana ho azy…koa inona moa izany fa tsy ilay fepetra amehana fotsiny no ilainao…mba hanaovanao inona nefa ? fepetra amehana, fanapahankevitra amehana, fitantanana amehana, politika amehana…

• Ankehitriny, na ny olona voatily fa mitondra ny valanaretina aza izany dia afaka mijanona any antranony…dia iarahana mahalala nefa fa raha ny eto Antananarivo foiben’ny aretina ankehitriny, dia ireo Fokontany betsaka mponina sy maro olona sahirana sy fadiranovana no tena ahitana ny tranga mitondra ny aretina…dia inona moa izany fa rehefa avela hijanona any antoerana ny marary, tsy midika ve izany fa avela hiparitaka hifamindra any fotsiny ireo mafy ady sy sahirana ara-pivelomana ? Izany ve no atao hoe tomponandraikitra amin’ny fahasalamambahoaka e ?

• Nilaza ihany koa izy omaly ny fahasahiranana nitranga sy nanjo ireo olona marary sy mitebiteby vokatry ny aretina, dia niaiky ampahibemaso anie izy izany fa misy andraikitry ny fanjakana tsy tontosa sy tsy lavorary nahatonga izany fahasahiranana izany e ! matoa tsy fantatry ny olona hoe aiza no aleha, dia tsy ampy sy tsy mazava ny serasera sy fampahalalam-baovao…matoa tsy voakarakara mila miandry andro maromaro vao mahazo valin’ny fitiliana, dia tsy mizotra antsakany sy andavany sy tsy lavorary ny asan’ny laboratoara…

• Tsy nasiana resaka na kely akory aza ny mikasika ny andrana tsindrona izay atao eto amin’ny Firenena (aiza no atao, manao ahoana ny fizotran’izany, iza ireo mpiombon’antoka amin’izany, inona no vontoatin’ny fifanarahana mikasika izany,…), nefa dia vahoaka sy fahasalamambahoaka anie izany e ! nahoana no resaka moto sy fiara sinoa, lamasinina, làlana sy fotodrafitrasa…izany no resahana nefa ny vahoaka sady mahantra no marary ?

• Fa sampandraharaham-panjakana misahana fahasalamana manantona vahoaka ve no misy eto ? sa sampandraharaha anjaran’ny vahoaka no manantona azy nefa lazaina fa fepetra ankamehana izao ? Fa nataonao inona ary izany ireny fiara 4*4 maro be novidiana ireny , moa ve tsy natao hanantonana vahoaka sy hikarakarana ny vahoaka ireny ?

Fehiny : efa tsy mifanojo intsony mihintsy ny resaka sy ny laharam-pahamehana eo amin’ny vahoaka sy ny fanjakana ankehitriny…tsy mahavoky ny kobaka ambava, ary tsy mahasitrana sy tsy azo antoka ny angoantenda…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS