Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 21h42
 

Répondre à un commentaire

28 juin 2020 à 12:01 | Vohitra (#7654)

Aoka hazava ny resaka !

Ny hoaviny sy ny fianakaviany ary ny namany no mahamaika ny maro amin’ny mpanao politika Malagasy fa tsy ny hitsinjo velively ny hoavin’ny Malagasy sy ny taranany rahampitso.

Rehefa mizaka sy misitraka fahefana, dia tsy manao afatsy ny manararaotra ny fahanginan’ny vahoaka, mangorona harena, mandainga sy mamitaka, mampanantena volana andanitra, mandraoka izay rehetra hahasoa ny tenany, mikotrika disadisam-piarahamonina mikolokolo fizarazarana amin’ny endriny maro, dia mampiady vahoaka…tsy ela dia teraka ny alahelo, ny lonilony, ary ny hetsika fanoherana, ary miofo ho any amin’ny fahatezeram-bahoaka, levona ny fahatokisana sy ny fifanajana…dia tonga ho azy any amin’ny fandosirana ny alahelom-bahoaka…

Aleo hazava ny resaka, tsy lamba fitafy akory ny mpanao politika ka rehefa maloto dia azo diovina sy entina hosasana eny amorondrano…tsia, tsia…rehefa nanimba sy namotika vahoaka sy Firenena ny mpanao politika, dia efa simba sy maloto, efa rovitra sy tata-bitrana tsy azo tohizana intsony ny fahatokisana, ny fieken-keloka sy fibabohana sisa no lalantokana azony hizorana, ary ny fanetrentena amin’ny ho avy…ary ny fizakana ny todin’ny heloka vita ary ny fangatahana fifamelana…

Fieken-keloka sy fibabohana no nisy ary misy eo amin’ny fahendrena sy soa notoavina eo amin’ny fiarahamonina sy ny fahendrena Malagasy fa tsy fihatsarambelatsihy velively, teo amin’ny tantara raha tsiahivana dia, na ny zanaka nateraka aza rehefa nanoto sy nanota ny fadim-piarahamonina dia nizaka ny anjaran’ny vitandratsiny, izany no nanjo an’i Ramavolahy sy Rabodolahy rehefa nentin’ny fikasan-dratsy ka nikasa ny hanimba ny Ombalahibemaso…

Raha mikasa ny hifamitrana fihavanana ny mpanao politika, dia aleo ho raharahany sy adidiny amin’ny tsirairay aminy izany, fa tsy manafoana velively ny tokony hibabeny ny heloka vitany teo amin’ny Firenena akory izany, tokony hijinja izay vokatry ny fihoaram-pefy sy fahadisoana nataony nandritry ny fizakany fahefana izy…

Ny tanindrazana sy ny taranaka no zavadehibe sy sarobidy fa tsy ny hoavin’ny mpanao politika akory, aleo hazava ny resaka…na hihavana na tsy hihavana ny mpanao politika, tsy raharaham-bahoaka sy fiainam-bahoaka velively akory izany…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS