Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 08h57
 

Répondre à un commentaire

25 juin 2020 à 13:29 | Vohitra (#7654)

Miondrika amin’ny fanetrentena eo anoloanareo rehetra mpiasa ao amin’ny fahasalamam-bahoaka manoloana ny tranga mampalahelo misy ankehitriny eto amin’ny Firenena…

Enga anie Zanahary hitsinjo hatrany ny fiainanareo sy hampahery anareo mbola ao anatin’ny ady, tena ady fa tsy vazivazy toa ny an’ny hafa, ary hitsimbina ny maha-olombelona anareo ka tsy ho resin’ny hakiviana sy fahatrotrahana manoloana izao sangy mahery setrasetram-piainana izao…

Ianareo tokoa miady, miady mafy, ary ny vahoaka efa resy an’ady, resin’ny adimpiainana sy ny aretina, resin’ny fanabadoana sesilany sy ny fanambaniana maro tsy tamby isaina isanandro vaky…

Fa ny sasany ankehitriny miomana ny hanao fety, hankalaza vanimpotoana iray tsy nisasarany, tsy nampisehoany fitiavana ny tanindrazana, fa ny fety, ny lanonana no mahasafononoka sy mahamaika azy…indrisy mantsy…

Ny tanindrazana, izay lazainy fa tiany aza namidiny sy mbola hamidiny…

Ny tanindrazana izay lazainy fa iriany mba hotompoina, nefa dia asehony miharihary fa ny vola no itompoany, ny tombontsoa manokana no ilofosany…

Irianay ny mba hitahiana anao hoy izy…nefa izy tsy mitsahatra ny manota ny fady amin’ny tanindrazana…

Ity Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He ! Sambatra tokoa izahay

Indrisy nefa, hiadana, finaritra, sambatra, ve nefa ny vary amin’ny kapoaka aza manahirana ny mahita azy, ny asa sy ny vola maha-ory, ny aretina mandramby sy mananika mihanaka, ny halatra sy vaky trano efa sesilany, ny rano sotroina hijaliana…

Tsy hamela anareo izay fototr’izao ny tody avy amin’i Zanahary ary hilanja ny kapoka mafy sahaza ny hatezeran’i Zanahary ianareo ireo fa mahandrasa kely…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS