Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h01
 

Répondre à un commentaire

25 juin 2020 à 12:00 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

« Izy telo mirahalahy », mety ho gaga ianao hoe inona indray ity horesahako, tsy ilay ao an’eritreritrao tsy akory fa mifandraika mihintsy amin’ny lahatsoratra atolotra…

Tany amin’ny taona 2017-2018 tany dia nisy marika finday mitondra izany anarana tena Malagasy izany niely sy namidy 45.000-50.000 Ariary teto Madagasikara, dia mba nihezaka ny tena namantatra hoe inona inona moa ity karazana finday iray ity…finday vita sinoa izy ity, tsy fantatra moa izay hoe haitao sy hairaha mikasika azy fa dia sinoa avokoa no mamatsy ny mpamongady sy mivarotra azy etsy sy eroa…

Tsy nisy orinasa na ozinina goavana nitsangana teto amin’ny Firenena nanamboatra ity finday « Izy telo mirahalahy » ity, varotra toy ny varotra rehetra ihany, ny fonony fotsiny no msy ilay anarana fa ny akora sy ny fanamboarana azy rehetra dia any Chine avokoa…efa tsy dia hita firy intsony izy ity ankehitriny, iarahana mahalala fa ny marika mbola betsaka mpampiasa eto dia ireo finday toy ny Huawei, Samsung, Eriksson, I-phone, Nokia…ary fantatra fa tsy maharitra herintaona akory dia simba ilay marika « Izy telo murahalahy »…

Inona no tiana hisintonana ny saina amin’izany resaka izany ?

Rehefa namoaka ireo tetika sy paikady hanarenana ny toekarena vokatry ny fihobohana sy ny fijanonan’ny varotra sy fifanakalozana ara-barotra noho ny aretina Covid-19 ireo tany tandrefana, Etazonia sy Eoropa, dia nilaza sorabola goavana (3.000 lavitrisa dolar ho n’ny Etazonia, 1.300 lavitrisa Euros ho an’ny Eoropeana) sy betsaka tokoa hoentina hisarihana indray ny fanjifana sy hampiroboroboana ny varotra, ary INDRINDRA, entina hiarovana ny asa, sy ny tsena ho an’ny vokatra any amin’izy ireo, dia isany nataon’izy ireo laharampahamehana ny indositria mpanamboatra fiara ary ny indositria mpanamboatra fiaramanidina sy ny kompania fitanterana an’habakabaka…ary ireo banky sy sehatra mikirakira ny fampindramam-bola…

Noho izany, tsy manana tombontsoa velively hanorina indositria aty amin’ny tany mahantra mihintsy ny Firenena matanjaka, indrindra fa hoe indositria hamokatra fiara na fitaovana izay hamidy any Eoropa na Etazonia na Chine, efa ny famerenana ny indositria hiorina indray any aminy aza no himasoany ankehitriny (relocalisation) noho ny lesoka sy fahabangana tsapa nandritry ny fihobohana, ny hitazona sy hamorona asa, ary ny hanatsara ny karama, sy hisarika ny fanjifana (consommation) no tena tanjona ho azy ireo…
Resabe sy fitaka ary angoantenda raha hoe karazana fiara sy moto hamidy any ivelany dia eto Madagasikara izy no hamokatra azy, tsy manana akora hanamboarana izany isika, tsy manana haitao sy hairaha, tsy tsena goavana misy mpanjifa marobe aty amintsika, olona fadiranovana valaky ny valanaretina samihafa sy mitofezaky ny hanoanana no misy aty amintsika, ary olna mahantra 77.6 % ny mponina, ary aza adino velively, TSY FOTOANA INTSONY ho an’ny tany efa mandroso amin’izao fotoana izao ny hoe noho ny « karama ambany sy mora » no hananganana indositria any amin’ny tany mahantra, efa « relocalisation » sy « robotisation » izao no resaka, ary raha karama, dia aleon’ny vahiny miaro ny asa sy manakarama ny mponina any aminy amin’izay ankehitriny…

Inona no alehan’ny mpanambola matanjaka hampiasa vola hanangana indositria aty amin’ny Firenena izay tsy misy mponina afatsy 25 tapitrisa izany ny 77 % olona fadiranovana ary ny 90 % olona mahantra ? tsy tsena matanjaka sy ampy hivoarana izany, sady tsy misy akora fanodina, ARY ilay fiara sy moto dia TSY hoe akory laharampahamehana sy hoe TSY MAINTSY ilaina miantoka ny aina…ireo 8 % amin’ny mponina ve no hianteherana hananganana indositria ? ireo 8 % ireo dia efa zatra sy tia mampiasa ny fiara sy moto tandrefana, lamaody ho azy ireo izany ary marika ho azy 8 % fa mpanankarena sy manana ny ampy izy…

Ny fanontaniana mipetraka ary dia ity : iza marina ireo mpandraharaha ireo, vola avy aiza sy ohatrinona no heveriny hoentina eto ?

Manahy aho fa sao dia FAMOTSIAMBOLA avy amin’ny bolabola andramena naondrana antsokosoko fahiny no entina hodiovina amin’ny fomba ankolaka eto…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS