Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 19h39
 

Répondre à un commentaire

23 juin 2020 à 18:34 | Krista Kristiaoe (#10737)

Ilay sahona be hambo

Ireo firenena mandroso any Eoropa mety mamerina trosa no afaka manao plan Marshall fa tsy firenena faragidro sy bokatrosa feno kolikoly toa an’ i Madagasikara.

Satria ny vahiny mpanambola no tompon’ ny orinasa mifehy ny famokarana eto Madagasikara, raha hatao ny plan Marshall dia ny vahiny no tena hisitraka ny tombontsoa amin’ izany fa tsy ny Malagasy.

Efa firy moa izay findramambola efa natao mihoatra ny plan Marshall ary ny teny fampanantenana tahaka an’ i Miami sy ny sisa nefa aiza isika izao tsy mitana ny rambony.

Raha jerena ny zavamisy eto Madagasikara, ny haren’ ny mpitondra sy ny fahantran’ ny vahoaka hatramizay dia azo antoka fa raha hatao ny plan Marshall dia hiafara any ampaosin-dRajoelina sy ny tariny izany.

Raha te-handresy lahatra ny Malagasy ny filoha Rajoelina dia aoka aloha hamidiny ireo tranony any ampita ary averiny ireo tany nomena ny vahiny tamin’ ny kolikoly izay vao matoky azy hanao Plan Marshall ny Malagasy.

Ny Sinoa tsy mba nanao plan Marshall izany mihitsy kanefa dia tafarina satria mahay ny mpitondra azy ary miezaka ny vahoaka ao aminy.

Raha te handroso i Madagasikara dia tokony hiankina amin’ ny herin’ ny tenany miainga amin’ ny fampandrosoana ifotony fa tsy hitady trosa hobaben’ ny taranaka.

Aza matoky saka fa trondro no laoka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS