Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h57
 

Répondre à un commentaire

23 mai 2020 à 21:31 | Shalom (#2831)

@ 23 mai à 19:47 | Tsisdinika (#3548)
Ho tadidin’ny tantara ho Rainikianja mihitsy aloha raha ingahy filoha Rajoelina fa dia io no fotodrafitrasa tena kapoakany :
- Kianjan’ny demokrasia.
- Kianja Maki.
- Kianja Kolizenôm
- Kianjan’ny Barea.
- Kianja Masoandro
- Kianja manarapenitra tsy voatanisa voavely rano...
Tsy azo hohanina anefa ny kianja.


Nihomehy aho na dia tsy fotoanany (noho ireto marary sy maty ary vahoaka noana) namaky ny soratrao hoe : « Tsy azo hohanina anefa ny kianja ».

Ny asa ataon’i DJ dia endriky ny fisainana sy fitaizana azony. Ny fisehosehoana sy ny lanonana no niainany (mampandihy fitombenana hoy ny namana sasany eto) ary heveriny fa azo lalaovina toa izany ny vahoaka rehetra (syndrôme de Barea).
Hoy ny mpanohan’azy eto hoe : taon-jato faha 21 hono isika izao ka mpitondra mifanaraka amin’izany no ilaina : rendrarendra sy fisehoana.

Tsy ilaina ho nianatra na nahavita fianarana ambony ny fahitana vahaolana sy ny fahaiza-misafidy ny laharampahamehana ho an’ny vahoaka : ny fahasalamana, ny sakafo, ny fanabeazana, ny fahalemana.

Tadidio fa nilaza Andrianampoinimerina hoe : « Ny mosary no fahavaloko » ary dia notohizany ny asan’ireo teo aloha amin’ny fanajariana sy fanamboarana an’i Betsimitatatra.
Aza adino koa fa tamin’ny andron’Andrianampoinimerina dia nisy ny valan’aretina NENDRA ary tsy mbola nisy ny fanafody tamin’izany. Resiny io valan’aretina io.

Misy mifankaiza amin’ny zava-misy ankehitriny ireo niainan’ny vahoaka tamin’izany andro izany ?
Fa nahoana Andrianampoinimerina tsy mba « mpampandihy fitombenana » no nahavita be ary nampisakafo ny vahoakany ?

Raha misy ny antsoina hoe « malama loha » amin’ny heviny hoe « fetsy ratsy » dia ity DJ ity no voalohany.
Be ny vava sy ny fampanantenana nataony indrindra ireo hoe asa tsy maintsy vita alohan’ny 26 jona 2020 ; ts’isy anefa na iray aza vitany tanteraka.
Tsikery havia tsikera havanana azony. Tonga ihany ity ny 26 jona.
Paik’adiny : Pehiny isika mianakavy ary asiany amin’ny maharary antsika dia io fanotana fady ny eny Anatirova io, na dia mifanipaka amin’ny kabary nataony teny Anatirova ny avrily 2019 aza izany ?

Heveriny isika fa hoe vendrana ka ho « variana amin’io resaka io » dia tsy ahajery ny fahotana ataony dia ny famelana ny vahoaka malagasy ho fatin’ny tazomoka sy ny dengue, ho fatin’ny hanohanana, ho lasibatry ny dahalo, tsy hanana asa hivelomana.

Hadinony fa ny fitandroana ny soa-toavina, ny fomba sy ny fepetra mifehy ny fiaraha-monina no simenitra mitana ny fiainam-bahoaka sy izay ilainy rehetra isan’andro ?
Vereno jerena avokoa ireny fomba amampanao sy fitenenan’ireo zokintsika dia ho hitantsika fa rano sy vary ireo.

Ny fitsikerana ny ataon’ny fitondrana ankehitriny, ny fihetsehana manoloana ny fanotana fady ny eny Anatirova, ny ahiahy noho ireo mahazo ny vahoaka voalaza etsy ambony rehetra dia tsy fahamaizinan-tsaina velively fa ady iray mitambatra ho an’ny fiainana sy ny fiveloman’ny vahoaka.
Faranako amin’ny fitenenan’ny vahiny sasany manao hoe « Ny tany tsy manana vokoka sy fomba dia tany tsy manam-panahy », tohizako manokana hoe : ary raha tany tsy manam-panahy dia tany tsy mitsinjo ny vahoakany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS