Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h31
 

Répondre à un commentaire

23 mai 2020 à 14:35 | Shalom (#2831)

1) Izay milaza fa finoanoam-poana ny loza raha mitondra henan-kisoa na osy miakatra ny vohitr’Andriana eto Imerina.
Ndao hanao fotoana isika arahina mpanao gazety dia hiakatra etsy amin’Andriambodilova etsy Anosisoa Ambohimanarina na eny Andranoro ery Antehiroka dia hiarahana mahita eo ny vokany. Miandry ny valin-teny isika.

Marihina fa maro ireo zanak’i Betsileo no tonga misaotra eny Anosisoa rehefa nahazo fahasoavana na amin’ny andro Asaramanitra ary misy ny fotoana natokana ho azy ireo manokana.

2) Tantara izay azontsika hanontaniana ny velona ny fahamarinany :
Andriamanjato Richard dia zanaky Randriamanjato teny Mahitsy ary avy teo tao Ambodimita Ambohimanarina. Kristiana protestanta mahafatra-po ny fianakaviany.
Noho izany angamba no nankahalany ny Fanasinan’ireo Merina sy Betsileo ary Antandroy ny razany voalazako ery ambony : Andriambodilova.

Koa indray andro dia iny izy niakatra an’Anosisoa namonjy ny toeram-panasinana niaraka tamin’ny baiboly.
Nony tonga teo izy dia nihantsy sy nanevateva ary nanaratsy ny toerana sy ny zava-nisy teo.
Nitalao nandohalika ny olona nifona taminy mba tsy hanao izany, fa iny ny anao nikiry biby notohizany ny nataony.
Farany : nodakany ilay toerana fametrahan’ny mpanasina tantely sy ny zavatra hafa ary narodany ilay trano manara tao anatin’ny tamboho.
Nivarahontsana ny olona ary be no lasa nitsaoka noho ny tahotra.

Iny ingahy Randriamanjato niedinedina nody nankeny Ambodimita no sady nivazavaza fa ataony mahita azy izay mbola mandeha manasina eny. Sabotsy io andro io.
Ny ampitso alahady, dia nandeha nivavaka. Mahagaga fa hendratrendratra be ny ihany ny olona tao am-piangonana noho ny zavatra nataon’Ingahy Rainy.

Nandeha ny Alatsinainy sy ny talata. Nde hifoha alarobia maraina izy no seriseriny be hoe tena vizana be izany ka mila tsy ho tafatsangana.
Koa nampiantsoana ny mpitsabo Randriambohavonjy izay mpiray tanàna amin-dry zareo. Rehefa nojereny dia tsy hitany hoe inona no mahazo an’ingahy be ka nolazainy fotsiny fa havizanana mitambatra ka dia tokony hiala sasatra izy (nomeny aspro).

Alakamisy : tsy fantatra na ahoana fa nihena ny ratsan-tongony, ilay tongotra nandakany ilay fanasinana voalaza ery ambony.
Niverina nijery Randriamboavonjy ka notsapainy kanefa tsy mahare marary ny anao lahy.
Dia hoe hampidirina hopitaly. Ny rantsana anefa tsy mitsaha mihena alavana ...

Farany, oho sisa teo, tsy fantatra hoe nankaiza ny taolana sy ny rantsana.
Herinandro taorian’io : maty Randriamanjato.
Tantara marina ireo azontsika anontaniana ireo fianakavian-dry zareo eo Ambodimita ambany eo akaikin’ny fivarontan-tsolika.
Mino isika na tsy mino izany, izay no zava-nisy ary hoy ny Ntaolo hoe : Tanatara izany, mpampita aho fa tsy mpandainga.

Koa dia miandry ny fotoana amin’ilay olona te hanao ny handrana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS