Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Répondre à un commentaire

23 mai 2020 à 01:34 | Lefona Again (#10319)

Tsetratsera tsy haritra hafa.

Dadany ihany zava-bitan’ny taranak’andriana teto : fanavakavahana sy fankahalana ireo izay tsy mitovy lahatra na firazanana aminy.
Soa ihany fa misy andriana « mangina ». Mihavaka, manana fahaizana ambony ary tsy misehoseho, na mihebohebo, fa manoy ny fiainany toy ny olon-tsotra.
Misy mihintsy aza fianakaviana « ambony » firazanana, izay nandrara ny zanany sy ny taranany hanonona ny teny hoe « andriana », ka nitaiza azy ireo hanangona fahalalàna ary hanana toe-tsaina hafa, ka ampidera ny maha-malagasy azy amin’ny fahaizana ary ampandroso ny tanindrazana.

Ny tena mampitsikaiky dia maro dia maro ny gasy, mirehareha ho taranak’andriana. Misy ary ny sasany mitomany ho izy.

Any USA kosa, ny ankamaron’ny afrikana-amerikana izay tafita, na inona inona ny anton-draharahany, dia tsy manadino ny miteny na mampahatsiahy ny maha taranak’andevo azy.

Mahatsikaiky b hoy aho !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS