Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 09h57
 

Répondre à un commentaire

23 mai 2020 à 00:00 | Shalom (#2831)

Tseatsatsetsa tsy haritra.
Ho fanampin’ny filazan’i Vohitra ny momba an’Andrianony tetsy Lasora izay nanjaka tamin’iny ampovoany atsimo andrefana iny.

Teo ihany koa Andrianjafy nanjaka tapany fony izy nitsaoka ary nohenjehin’ny miaramilan’i Mboasalama : Tsinjoarivo, Betafo, Midongy atsimo.

Ny ela indindra dia ny momba an’Andriandranando.
Andriandranando (na Andriandranandobe) dia nanambady ny anabavin’Andriamanelo.
Nisy koa anefa vadikely roa izay nananany zanaka ka ny iray lasa niavy tany andrefana tany amin’ny Sakalava izay misy hifandraisany amin-dry Printsy Kamamy ka nahatonga ny rain’i Printsy Georges niteny hoe : isika anie ka fianakaviana iray (eo ihany koa ny momba an-Laidama sy Rasalimo).

Ny zanaky ny vadikely faharoan’Andriandranando kosa lasa nianatsimo ary izy no razan’ireo Andriana teo amin’ny mponina antsointsika hoe Betsileo avaratra.
Andrianarahinjaka Lucien Xavier-Michel lehiben’ny Antenimiera fahiny dia mahafantatra tsara izany tantara izany ary izy dia nanatrika foana ny fivorian’ny olomben’ny Zanak’Andriandranando teny Antsofinondry Avaradrano akaikin’ny Fampiadiana akoholahy tao an-tranon’ny Andriandahy Pierre Razafy-Andriamihaingo (niamboho ny 3 janoary 1997) izay lehiben’io Fianakavian’Andriana io tamin’ny fahavelony.

Nanoratra teto aho efa andro maro izay nilaza momba ny fanapahan-kevitry ny Mpanjaka Radama I handefa mpampianatra any amin’ny Fanjakan’ny Betsileo.
Antony telo no nanaovany izany :
1) Mahay sy matsilo ary mazoto miasa ny Betsileo
2) Taranak’Andriandranando ireo Andriana ao
3) Tsy asiko resaka.

Farany : Raha nifanolana Andrianampoinimerina sy Andriamanalina mpanjakan’i Fisakana momba ny varotra andevo (ireo babo tao « Vakinankaratra »), dia hoy Andrianampoinimerina : Zanak’Andriandranando sy Andriamasinavalona ianareo (Andrianony, Ramanalinarivo, Ramanjaka), andevo ve no hiadiantsika, maninona raha mifanaraka (sahala amin’ilay resaka salaka sy tehina ho an’ireo mahay ny tantara).
Ny tantara moa no milaza ka tsy asiko resaka na dia mampihomehy aza ny tohiny.
Lazaiko f’ireo ihany koa no maha-Andriamasinavalona ny ilan’ny Betsileo, izay lavin’ireo antsoina hoe ’intégristes" ankehitriny fa hoe efa lasa metisy hono.

Nanoratra teto ny namana iray nilaza hoe « fa tsy iray ihany ve ny Merina, Bezanozano, Sihanaka sy Betsileo ? ».
Tsy hamaly aho hoe eny na tsia, fa hoy kosa aho hoe : be ny tia kely ka ny hampisaratsaraka no kendreny mba ahafahany manjakazaka eto amintsika koa anjaran’ny hendry ankehitriny ny mandinika mba tsy ho voafitaka isika.
Ary ny tena mampalahelo indrindra dia tsy mba mahay izany tantara izany ireto mpitondra antsika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS