Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Répondre à un commentaire

22 mai 2020 à 11:35 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Ny fanjakan’Andriamanjaka teto Imerina, efatoko teo ampiandohana vao nihitatra ho enintoko, no nampijoro sy nameno Hasina an Ialamanga ho Rova ka nojariana ho toeramponenana sy toerampiafenana ho an ireo Andriamanjaka nifandimby izay tsara homarihina fa nivoaka hatrany teo ankibon Imerina efatoko hatrany nanomboka tamin ny 1610 ka hatramin ny 1896.

Mazava ho azy tsy hiadiankevitra fa ny lasa sy ny kolontsaina Merina sy ny fomba ary vakoka manandanja ary notoavin ireo fianakaviana Andriana Merina no voatahiry sy voafono ao amin io Rova Manjakamiadana io.

Izany fomba sy kolontsaina ary riba izany dia misy fepetra, fady tsy dikaina, ary fitaizana nifandovana ary natao ho fototry ny Hasina sy ny endrimpiarahamonina nampanjakaina nipetraka ho tantara tsy azo kosehina, ka handravaka ny vanimpotoana hifandimby.

Taratry ny vanimpotoana faha Andriamanjaka sy ny fomba Merina efatoko io Rova io, ary mandrafitra ny fanahimpisaina sy fihevitra Merina, ary mbola mitahiry ny fanajana ny fifandraisana sy fifamatoran ny taranaka velona ankehitriny sy ny Razana efa nody niafina ao amin ny Fitomiandalana ao.

Fasandrazana Merina ny Fitomiandalana, ary misy ny tetiarana mazava voafaritra mikasika izany, ary ireo Andriamanjaka fahiny efa Razana no nafenina ao, fa ny taranak izy ireo kosa dia natao hiafina isambohitra rehefa tonga ny lahatra momba izany.

Fanimbazimbana, fanevatevana, fanosena, fametavetana, fanotana fady, fandranintana disadisa, ary famotehana tsotra izao ny Merina sy ny fombany ary ny harena ara kolotsainy izao mitranga izao.

Disadisa sy romoromo ary fiantsiana ankitsiranao atao amin ny Merina sy ny fianakaviamben ny Andriana Merina izao mitranga izao.

Tsy mbola nanimbazimba ny kolontsaina tany Sahamadio na Faratsiho ny Andriana Merina, ary tsy nampifangaro velively ny politika amin ny sata Repobilikanina amin ny fikoloana ny fombany sy ny lasany ary ny fadiny.

Ady ve no ilaina matoa ny Fasana no vetavetaina sy verezinkasina toy izao ?

Manankasina sy manaja ny Razana ny Merina, ary misy ireo taranaka miaina sy velona ankehitriny mamelomaso ny fomba sy fiaina hifamoitaizan ny Andriana Merina sy ny taranany mifandimby.

Tsy hoe ambony na hoe ambany na resaka sarangam-piarahamonina no fototry ny olana goavana eto, fa kolontsaina sy Hasindrazana, ary manaja izany daholo ny Foko rehetra eto amin ny Nosy...

Mba tsy hisian ny disadisa sy lonilony ary valifaty ara-piarahamonina dia izao no sosokevitra aroso haingana :

ARODANY SY RAVAO HAINGANA IO FANOTANA FADY MANOMPA NY MERINA IO.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS