Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 17h34
 

Répondre à un commentaire

22 mai 2020 à 11:10 | Isandra (#7070)

Aiza izy izany taitra ny olona tsy mba taitra, taitra irery vao mamaky takotra !

Tamin’ny 13 février 2020 no efa nivoaka tamin’ny page Facebook Ny Présidence ny tatitra momban’io, fa tsy nisy taitra, efa ho vita ilay izy voa be wawa ny sasany :

« Tonga nitsidika ny fandrosoan’ny asa fanarenana ny Rovan’Antananarivo ny Filoha Andry Rajoelina androany 13 febroary 2020. Mazava ny toromarika nomeny fa tsy maintsy averina amin’ny laoniny tahaka ny endriny teo aloha ny Rovan’Antananarivo ary ho vitaina mialohan’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena izany. Hisy kosa ireo fanavaozana hafa tsy maintsy hatao hoy ny Filoham-pirenena mba hampanaraham-penitra azy tahaka ny fahita amin’ireny trano fitehirizana vakoka any ivelany ireny. Efa vita avokoa ny asa vaventy amin’ny fanamboarana ny Rova amin’izao. Nosafidiana manokana ary natao nitovy tanteraka tamin’ny temotra tamin’izany ireo hapetaka ao amin’ny rihana voalohany misy ny efitra hampirantiana ireo vakoka. Araka ny efa nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fanombohana ofisialy ny asa, dia hatokana ho toerana fanehoana an-tsary amin’ny alalan’ny “hologramme” ny tantaran’ireo Mpanjaka, ny rihana faharoa na ny antsoina hoe « salle des scénographies ». Hohajariana ho birao sy toerana famakiana boky sy tahiry kosa ny rihana fahatelo. Notsinjovina manokana ihany koa ireo olona manana fahasembanana ka nametrahana “ascenseurs” ao anatin’ny lapa mba hanamorana ny fivezivezena ao anatiny. Hatsangana eo amin’ny tokontanin’ny Lapa ihany ny “Kianja Masoandro” izay hampiaina amin’ny alalan’ny tantara an-tsehatra ny tantaran’ireo mpanjaka nifandimby. Ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo dia hamerina indray hambom-pom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ary hampahafantatra sy hamatotra antsika indray amin’ny tantara hoy ny Filoha Andry Rajoelina »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS