Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 20h30
 

Répondre à un commentaire

21 mai 2020 à 12:24 | Shalom (#2831)

Vaovao izay toa be no tsy mahafantatra ; arahin’ny fandinihiko manokana mba hampitandremana ny vahoaka tsy ho voafitaka.

Tamin’ny taona 2018 no notokanana ny orin’asam-panjakana « Laboratoire CDC » (Control Disease Centre) etsy Androhibe izay natsangana mba hanao fanarahamaso ny aretina mifindra, hita eto Madagasikara (pesta, habokana, vih sns …).

Toa hita anefa izao fa novaina ny anaran’io « laboratoire » io ka natao hoe : « LA2M » (Laboratoire d’Analyses Médicales Malagasy) – teny anglisy teo aloha no nanjary teny frantsay io farany io.

Amin’izao fanovana anarana izao dia novana ny andraikiny koa ankoatry ny fanarahamaso voalaza etsy ambony dia handray ny fanaovana « Test PCR » izay tokony ho tao amin’ny Hopitaly HJRA koa io « laboratoire » io. Asa aloha hoe inona marina no tsy namelana azy hisokatra teny amin’ny HJRA fa dia izy io nafindra io.

Na dia efa notokanana aza ny « Lab CDC », dia hotokanana indray noho io fiovana anarana io, ka lasa ny saina hoe : sao dia io lahy ilay « laboratoire » atsangana alohan’ny 26 jona 2020 ?

Ny tsy fantatra sy tsy mazava anefa dia ny hoe : ho lasa « laboratoire privé » ve ilay niantomboka ho orin’asam-panjakana sa hijanona ho an’ny fanjakana malagasy ? Raha « privé » kosa dia an’iza ? Iza no ho tompony ary volan’iza no ampiasaina ao ? Ny hita aloha dia novana ny lokon’ny ivelany sy anatin’ilay toerana ka vinavinao hoe inona ny loko nampiasaina ? Bingo ! Volomboasary !

Efa natomboka volana maro io fanovana ny CDC io ka mipetraka ny ahiahy sy ny fanontaniana hoe : Tsy toa fanahiniana natao ve izany ny nisian’ny disadisa teo amin’i DJ sy ny IPM mba hiampangana an’io « Laboratoire » « frantsay » io ary mba ho mora ny handroahana azy avy teo ?

Tsy mbola milamina moa io fifanolanana eo amin’ny roa tonta io amin’izao fotoana ; ny ho ren’ny be sy ny maro tsy ho ela angamba dia iry voalaza etsy ambony iry hoe : io fa nahavita namorona « Laboratoire » manarapenitra i DJ (ary tena TGV ny fanagnanan’izany hoy ilay mpisolelaka sy mpilelaka iray eto amin’ity serasera ity) kanefa dia io fantatsika io fa fanodonana ny efa nisy no atao fa tsy fananganana vaovao akory.

Aza adino ilay nolazain’ny lehiben’ny IPM farany teo hoe : 20$ na 80.000Ar ny saran’ny fitiliana coronavirus iray ; ny IPM anefa dia nanao izany MAIMAIMPOANA.

Tadidio ihany koa fa natao amboletra ny fanaovana sy fanaparitahana ilay tambavy majika.
Sao kosa lahy ka tena efa rafitra paik’ady efa novolavolaina izao, efa fantatra fa sadasada ny fahombiazan’io tambavy io ka atao ny bizina etsy Afrika kanefa tsy hanakana ny fivalahan’ity aretina ity izany. Koa dia ho roahina na tsy omena fitiliana intsony ny IPM, dia ny LA2M indray no handray izany.

Volan’iza hoy aho no hihodina ao, sao kosa ho fanafotsiam-bola sanatrian’izany. « Ny ahiahy tsy ihavanana » tompoko isany.
NY HENDRY NO MANDINIKA, NY ADALA MIBOSESIKA MISOLELAKA KA MINIA TSY MIJERY NY ZAVA-MISY.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS