Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 11h51
 

Répondre à un commentaire

20 mai 2020 à 18:06 | Krista Kristiaoe (#10737)

Tsy mahagaga izany raha mitombo ny fahoriana satria

Etsy andaniny, ny Malagasy, mahantra kamboty tsy manam-piahy, tsy ampy hery fiarovana, very asa, mitrongy vao homana, tsy maintsy mifampitolona amin’ ny adimpiainana isanandro mba hamelomana ny ankohonana.
- Tompontany mangataka ny atiny, arodana ny tranony, robaina ny fananany ary angalarina ny taniny mba homena ny vahiny.
- Ireo no vahoaka Malagasy na matin’ ny kere na matin’ ny aretina na matin’ ny dahalo, izay tsy mahataitra ny mpitondra satria tsy ahitany tombony.

Etsy ankilany, ireo vahiny mpanambola, karana, sinoa, vazaha izay tsy mba mety tratran’ ny aretina fa ampy sosy.
- Ireo no vahiny tompoin’ ny mpitondra, ary mahamaika ny mpitondra ny fikarakarana sy fiarovana azy satria mahatolotolotra.
- Ireo no manjaka tanteraka eto Madagasikara, mahazo ny avarapatana amin’ ny orinasa sy ny famokarana rehetra misy eto Madagasikara, ary mibaiko ny lalana misy eto Madagasikara, ka mitondra ny firahamonina araka ny tombontsoany.

Ary eo afovoany, ny mpitondra, izay variana manao sinema fampielezankevitra, zatra manao revy samihafa amin’ ny dia any ivelany sy ny hotely manarapenitra, ary lany andro amin’ ny fikarohana tombontsoa samihafa.
- Ireo no nantenain’ ny vahoaka hanafaka azy kanefa vao mainka mitondra fahoriana. Manampahaizana anefa ny mpitondra ary mahalala tsara izay tokony hatao eto amin’ ny firenena. Maro izay tsikera sy torohevitra sy fitokonana nataon’ ny olompirenena izay. Kanefa dia mampalahelo fa tsy mety mandroso ny firenena fa mirefarefa amin’ ny tany tahaka izao hatrany mitana ny rambony amin’ ny filaharana iraisampirenena. Inona ny antony ?
- Satria ireo mpitondra ireo dia saribakolin’ ny vahiny, vokin’ ny bizina kolikoly miaraka amin’ ny vahiny, voafatotry ny sinoa, karana sy vazaha ny tongotra amantanany, ary efa jamban’ ny fitiavambola loatra ka tsy afaka hahita ny fahorian’ ny mpiray tanindrazana aminy.

Mitomania ry fireneko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS