Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 05h37
 

Répondre à un commentaire

20 mai 2020 à 13:15 | Vohitra (#7654)

Manao ahoana tokoa moa no iainan’ny mponina any ambanivohitra matetika ny aretina tazomoka ?

Rehefa manomboka tsy mahatelina sakafo sy tsy tafarina ampandriana ny olona dia mihazakazaka aloha mividy ny fanafody antsoina hoe « tapany manga » eny amin’ny mpivarotra atsinjarany, itony antsoina hoe « dépôt de médicament » itony, na koa eny amin’ny mpivarotra tsotra…

Raha mbola tsy miafana, dia mandeha mamonjy ny CSB, entina amin’ny sarety ny marary…

Rehefa tsy vita intsony eo amin’ny CSB, dia mbola mamory vola aloha hoentina mamonjy ny hopitaly any amin’ny distrika…ilay hoe mamory vola dia mandeha mivarotra izay azo varotana aloha any an-tanàna satria efa fantatra fa mila vola tokoa raha ho any amin’ny hopitaly…tsy misy maimaimpoana izany any…

Rehefa tsy misy moa ny amidy, na koa tsy misy ny mpividy izay amidy, inona moa no azo atao eo…miala nenina indray aloha mijery mpitaiza…ao anatin’izay fivezivezena izay, dia maro ny aina efa lasa nandao, ripaka lasa noho ny fahantrana…

Fa nahoana no tsy misy CCO-Tazomoka 20 foana ary e ?

Mba alaina amin’ny 4*4 any any amin’ny tanàna ny marary, dia omen’ny fanjakana fanafody maimaimpoana, dia raisina antànana avokoa ny fikarakarana rehetra…toa betsaka tokoa ny vola efa nomen’ny fanampiana iraisampirenena izay anie e !

Sa tsy azo atao izany ? Sa tsy aretimifindra ny tazomoka dia tsy olana ? sa aretin’ny mafy ady izy ity ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS