Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 21h34
 

Répondre à un commentaire

4 mai 2020 à 19:43 | Lefona Again (#10319)

Inona moa no antsoina hoe vita gasy ?

Tena lalina mihintsy ny fisainan’ireto mpamingana sy mpanejika ny Malagasy ireto.
Azo ekena sy hazona ny tsy fitiavan-jareo ny mpitondra sy ny GVT, fa ilay eso, fanambaniana, fandrorana ny vahoaka manontolo dia tsy azo leferina.

Inona moa no antsoina hoe vita gasy ?

Zavatra mahamenatra hoan’ny voazanaka ara-tsaina izay hita eto ! Na resaka sakafo, na artisanat, na izay tianareo, maika moa fa hoe fanafody.... dia tsy misy lanjany ho azy ireo.
Etsy andaniny, eo ireo zana-bazaha malahelo ny tombotsoa fahiny sy ny toerana notazominy mafy tamin’ireny fanjanahana ny Malagasy ireny..etsy ankilany indray dia eo koa ny teratany izay tsapa mihintsy aza, fa menatra ny maha-gasy azy. Mandohalika eo anatrehan’ny tsotsoka mpanompa sy mpanambany eto. Ireo mpandady « ariary efatra » ireo dia efa anisan’ny perte total, hors service ary voan’ny obsolécence, pejy feno ratures , ka mivadika ho azy raha vao mitsoka ny rivo-baovao. Izaho manokana dia tsy hiantso azy ireo ho mpamadika tanindrana, fa mpanadi-tena, toy ilay pejy. Mpamady-tena satria complexé à vie. Izany anie efa sazy à perpétuité e !

Dia mba miresaka mozika hono ry zareo ireo. Draisy ry anona ! Dia samy manome référence na mpihira, ary misongadina fa tsy malagasy no sady efa lasa vovoka, na lany andro no tononon’dry rakevokevoka isany.

Tsy mila mitady lavitra anefa fa na resaka kolontsaina aza dia betsaka ny mpanao zavakanto malagasy hatrizay izay référence-nay. Samy manana ny sahaza azy e !

Ny sakaizam-piainanay dia ry Andy Razaf, Ramilison Besigara, Les Surfs, Henri Ratsimbazafy, Jérome Randria, Nanahary, Barijaona sy Odette Suzannah, Gaby Ratsito, Papa James, Freddy Ranarison, Mahaleo, Pumpkins, Dede Mahanoro, Simon Randria, Ricky Olombelo, Ze Smile, Dizzy Brains, Lalatiana, Oro, fianakavina Rabeson..ets..maro loatra no tsy ho vaotanisa, ary ny atsasantsany dia nahavita nanome lanja sy voninahitra ny maha malagasy azy eran-tany, ao amin’ny karazan-kira hira gasy, pop gasy, Kaiamba, na koa Jazz, Soul, Rock, Folk, fusion na Funk.
Into ohatra artista iray, Ameega, sambasamba hita teto an-tanindrazana tamin’ny january farany teo nefa efa aman-taonany, 40 raha tsy diso aho, no efa malaza any ivelany, nandray ny sehatra goavana tamin’ny Aout 2019 tao Californie.
Tsara ho fantarina sy tohanana satria mampiseho ny fahaizany ary mirehareha ny maha malagasy azy izy. Misimisia ny toa intony.
Ny antitra mitsinjo ny fasany, ny tanora mitsinjo ny tranony.
Izay efa zokiny aoka ho hajaina, ary tokony manaja koa ny tanora.
Ny ho avy dia eo ampelatanan’ny tanora vatana sy ny tanora saina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS