Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 06h45
 

Répondre à un commentaire

4 mai 2020 à 17:42 | Vohitra (#7654)

Dia ahoana koa re,
Dia ahoana koa re, ny manaraka a !

Mbola misy ihany angamba no mahatadidy izany andininy fiverenana amin’ilay hira sôva, izay niangalian’ny tarika « Hazo Midoroboka », izay notsorina mihintsy moa hoe « jomak’Ampamarinana », ary tononkira noforonon’i Tsilavina Ralaindimby…

Inona no tiana hiaviana amin’ny resaka ka iantsoana ny tsiahy eto ?

Tamin’izany fotoana, teo amin’ny 1976 teo, dia noentanina ireo niangaran’ny vintana, ireo tsy hita fototra fa adinon’ny tantara nifanesy, ireo voailika sy taranak’ireo babo an’ady ary tsy lafo tamin’ny fanafoanana ny varotr’olona fahizany, nampalahelo tokoa, izy ireo no nomena toky sy nanaovana angoantenda fa ity revolisionina mena izay natomboka ity no hitondra ny Firenena any amin’ny paradisa sosialista ka hanafoanana ny sarangam-piarahamonina, ary hisian’ny anjara masoandro mihiratra indray rehefa tsy nahomby sy maty momoka ilay fikasana niainga ny taona 1972…

An’iza ny vola, an’iza ny sandry, an’iza ny tany, an’iza ny angady ?...antsika daholo daholo hoy ny tohin’ny sôva…

Kinanjo, tsy ela fa taona vitsy monja, inona indray no nitranga ? ilay kiraro efa nanaovana teo indray no nisolo kapa kiranyl, ilay akanjo efa mba nisy rirany teo indray no nivadika ho voronkitsay, ilay laoka efa mba nisy hena teo indray no nivadika tourteaux sy ron’anana maintsobe isanandro, ilay asa fivelomana efa mba niainana teo indray no foana fa nivadika ho asa fanompoana sy fiderana ny Arema…nanjavona ilay paradisa, devolibe mena miraviravy no lasa nameno tanàna, nanao ampihimamba ny toekarena ho an’ny namany sy ny fianakaviany, nanamontsana ny toky ho paradisa antany, tsindry aloka sy hitsaka tsy misy indrafo no nifampiresahana…niafara tamin’ny fandringanana faobe ny taona 1991 ny 10 aogositra…

Dia tonga indray ny taona 2018, indro tary iray mpizaika antsehatra mpanome hafaliana vetivety, efa zatra fitabitro sy toky ankamorana ny taona 2009, no nilaza fa hiova ny tantara, hivadika ny pejy, nampanantena fahagagana tsy hita hopesimpesenina, fiadanana ho safononoka anaty harena voatrandraka ho an’ny mafy ady, ary nilaza fa efa mivimbina volabe entina hitondrana ny fiovana…
Nandalo ny andro, nikisaka ny volana, nodimbiasan’ny taona, tsy hita izay fiovana, vao maika loza no nitranga, kojakoja 500 ariary sy akanjo 200 ariary eny amin’ny fripy indray no nisaloran’ny mafy ady, ilay vilany maintso amin’ny anambe no lasa tsy afaka fofon’ny tsondro maina mialintaona, karama vary masaka sy aina sedraina eny amin’ny faritra afaka haba no fitazonana aina sisa, ary nanomboka tsapa fa tsy nibaby sy nivimbina volabe akory ilay tary be fisehoana sy karapilo amin’ny seho antsehatra…

Niainga indray ny angoantenda : nolazaina fa ny fitakiana ny vondronosy mitahiry harena miafina eny antànan’ny Firenena hafa no làlana hahazoana volabe miantoka ny fiovana…indrisy valinkafatra henjana sy mafonja no nasetrin’ilay Firenena tompon’ny vondronosy…very nanjavona teo indray ny hevitra ampitaka noheverina hanaovana fahagagana…izao indray dia ity ravimaintso misy fofona antsoina hoe Artemisia ity indray no lazaina fa làlana hitondrana ny volabe ary hamadihana ny tantara sy hisian’ny fiadanana ho an’ny ambanilanitra, hivarotra tambavy mangidy ho an’izao tontolo izao indray hono…ilay zavamaintso misy fofona nefa feno sy maniry eran’izao totolo izao, ary lasa ahidratsy mihintsy aza any ankafa…hanangana ozinina hono, hanodina tambavy, hitsambo ny fery sy manaintaina rehetra amin’ny olona, lasa mpanao fanafody gasy sy mpitanika indray koa ilay nampanantena fahagagana…

Dia re sy heno fa efa andàlana ny ho tody tsy ho ela ny fanafody sy ny fanefitra entin’ny vazaha, dia hivadika ho mantsina eto indray koa ity ravimaintso ity, ary sanatriavina ny aretina indray ve no andraindraina hitranga mba hisy masonkarena ny tambavy tanehina ao afara ao…

Dia ahoana rehefa tsy nanjary ny natao ka tsy lafo tambavy namidy ary nivadika masiso, tsy azo hanina ho solontsakafo, tsy azo atao ahitra sakafombiby akory…

Dia asosa hoseraina tsikelikely hivadika tarehimarika indray koa ny tanindrazana ve toa ny natao nanomboka ny 2009 ? Sa ny traikefa efa azo tamin’ny fivarotana miafina andramena no hiverenana ?

Dia ahoana koa re, dia ahoana koa re, ny manaraka a ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS