Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 07h54
 

Répondre à un commentaire

4 mai 2020 à 10:59 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Sakodiavatra sy sanganehana tokoa ny tena raha nahita ny zavanitranga omaly alina, ary nametra-panontaniana samirery hoe fa inona ary ity mitranga manjo ity Fireneko no dia lasa mirefarefa toy izao sisa, indrisy tokoa mantsy, lasa mantsina sy mamofopofona tarehin-dravatra hafahafa ny fisehon’ny zavamisy…

Voalohany aloha, inona ilay endrika nentina nanaovana ny dinika ?
Lohabary andasy ve ? Tsia, satria ny heviny ihany no nasesiny tsy ankiato, ary nohamaivaniny mihintsy izay hevitra tsy mifanojo amin’izay ao antsainy…
Fanazavankevitra ve ? Tsia, satria toa dokambarotra ho fanasongadinana ny tenany no tena nandany ny fotoana…
Fanambarana ny tranga sy zavamisy lalovan’ny Firenena ve ? Tsia satria toa fanazavana ny hazakazaka arahin-tosika entina hamonjena sy hanenjehana ny tsena ara-barotra sy varotra tambavy mangidy any Afrika no toa niompanana…
Fanazavana ny hiatrehana ny ho avy ara-toekarena sy fiarahamonina ve ?
Tsia, satria tsy notsidihina akory ny lohahevitra mikasika ny vahaolana momba ny mosary, ny tosika hanohanana ny famoronana asa rahampitso, ny paikady entina hifehezana ny halatra sy vaky trano ary vono olona izay mirongatra tokoa…

Faharoa, tsy nisy fiomanana sy fandaminana mazava ilay resaka natao fa dia lasa toy ny mahazatra hatrizay ihany : ny angoantenda sy ny abobo mialona andro ihany no natao fomba fiasa.
Ohatra : dia tsy mba nisy mpanolotsaina mba mahatakatra sy mahiratra kely ve amin’ireo tandapa sy menamaso ao ireo nahita fa misy tsy manjary sy tsy mifanaraka amin’ny zavanitranga ny teny nambara ? Jereo anie ireto tranga ireto :
-  Tsy ny taona 1979 tsy akory no nahazo ny maripankasitrahana volamena i Ravelomanantsoa Jean Louis
-  Intelo no niverimberina fa nisy tranga SARS Covid 2 ny taona 2003, izay marihina tsara fa ny SARS Covid 1 no nisy tamin’izany, ary taona vitsy taorian’izany ny MERS…
-  Nisy fanehoankevitra tamin’ny tahirimpeo nataon’i Pr Luc Montagner natao, ary nolazainy mazava fa azo atao ary misy tsirimpanantenana tokoa ny fitsaboana ny TAZOMOKA avy amin’ny alalan’ny singa voajanahary ao amin’ny Artemisia, ary nomarihina tsara ny hoe Tazomoka sy ny voajanahary…fa tsy nisy filazana mihintsy nataon’ilay Profesora hoe azo na mety na misy fanantenana ny hanaovana fitsaboana na fiarovana amin’ny coronavirus ity zavamaniry ity…

Fahatelo, mahazendana tokoa fa tsy nisy filazana mazava sy miavaka mikasika ny tena zavamisy sy ny paikady mazava hiatrehana ny aretina tazomoka sy dengue mamely any Atsimo sy any Mahajanga nandritry ny valandresaka ka nahafahana nitaratra fa laharampahamehana tokoa ny fiatrehana izany ao anatin’ny antomotrezaka…ny pesta moa tsy resahana intsony fa efa mby ankoditra hatry ny ela…

Fahefatra, mahagaga sy mahazendana tokoa fa fotoana fohy sendra nitsidika no nahenoana nandritry ny valandresaka fa tsy mahazaka ary tsy tokony ho azon’ny taramasoandro sy ny taninandro ny tambavy majika…ary izany no antony tsy nandefasana azy any amin’ny Faritra hafa…izany hoe na ireo mpankasitraka nampandihy fitombenana fahiny aza dia tsy hanana anjara amin’ity ranovolomboasary majika ity…

Fahadimy, amin’ity herinandro mitsidika ity izany vao hahazo ny fizarana maimaimpoana ity tambavy majika ity ny fokontany any amin’ny Faritra Atsinanana, izany hoe aorian’ny any Guinée sy ireo Firenena sasany any Afrika…

Fahenina, nolazaina ampahibemaso fa mbola tambavy fotsiny ihany ity ranovolomboasary majika ity fa mbola tsy fanafody tsy akory, ary ny dingana ho famadihana azy ho fanafody dia mbola ho avy ary atao manarapenitra hono izany famadihana azy ho fanafody izany, koa nahoana ary no noterena nisotro ity tambavy majika mbola tsy fanafody ity akory ny ankizy mpianatra ?

Fahafito, Faritra 18 eto amin’ny Firenena izany izao no efa azo lazaina fa miverina amin’ny laoniny amin’ny zavamisy niainana tany aloha ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny, koa nahoana ary no natao faobe sy mihantra manerana ny Firenena manontolo ny didimpanjakana sy ny lalàna mamaritra ny vanimpotoana amehana eto amin’ny Firenena ?

Fehiny : mampitafy henatra sy baraka ary latsa ho an’ireo manampahaizana sy mpikaroka ary mpandalina sy matihanina amin’ny ny fitsaboana sy ny siansa biolojika tokoa ny resaka sy adihevitra toy ireny, voahitsaka antampondoha sy tratry ny tery vahy manta ka nilofika izy ireo vokatry ny hakanosana, ny tsy fahatokisantena, ny tahotra, ny fitiavankely sy fitiavantena, ny tsy fahasahiana mijoro ho voarabe endriky ny saha sy kiady ary ampinga miantoka ny ho avin’ny fara mandimby…

Ho vidian’ny manapahaizana Malagasy lafo dia lafo tokoa raha sanatriavina, raha sanatriavina, misy manapahaizana vahiny manambara ampahibemaso tsy amintahotra amin’ny porofo ara-tsiansa ny tsy fahombiazana sy ny loza mety ateraky ny fampiasana ny tambavy majika ho fitsaboana ny coronavirus…enga anie ho diso ny eritreritro…

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS