Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 10h52
 

Répondre à un commentaire

14 février 2020 à 21:35 | Krista Kristiaoe (#10737)

Ekena fa misy ny fandrosoana kanefa fandrosoana amin’ ny inona moa ?

Araka ny mahabanky azy izay dia mirona amin’ ny vola sy harena ny tombana ataon ’ ny banky iraisampirenena kanefa ampy ve izay hatao maridrefy handrafetana ny atao hoe fandrosoana ka ahoana ny amin’ ny arapolitika, ny aratsosialy, sy ny fiarahamonina ?

Misy ve izany fandrosoana izany raha ny Malagasy no tsy mahavelontena fa mangataka lava amin’ ny vahiny ? Raha mbola ny vahiny no lolohavina antampon’ ny loha ka avela hibodo ny tanin’ ny Malagasy ary hanao ny danin’ ny kibony handroba ny harem pirenena sy hanjaka amin’ ny sehapamokarana rehetra misy eto Madagasikara ?

Tsy hisy akory izany fandrosoana izany raha mbola ny mpanana no mihamanana ary ny mahantra mihamahantra, raha ny Malagasy no mifamotika antoerana ka ny mahantra miditra dahalo mandrava ny fananan’ ny mpanana ary ny mpanana mirehareha manontany ny ory ary vao mainka mandentika ny mahantra.

Noho ny fitobahan’ ny vahiny mpanambola eto sy ny fahantran’ ny Malagasy dia miha simba ny kolotsaina Malagasy fa atakalo ny kolotsaina vahiny. Tsy raharahaina intsony ny fombandrazana, ariana ny fitenindrazana, mitombo ny kolikoly, rava ny fihavanana Malagasy. Very ny fanajana ny ray amandreny sy hasin’ ny fianakaviana.

Izany ve no atao hoe Fandrosoana, tsy fandrosoana izany amiko fa fihemorana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS