Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 07h40
 

Répondre à un commentaire

14 février 2020 à 13:56 | Vohitra (#7654)

Rova Manjakamiadana, indrisy tokoa fa ny sento sy ny ventso sisa no heno manako…

Raha nahazo ny sata ho lasa “vakoka iraisampirenena” izy dia ny tanjona voalohany dia ny hamelomana sy hisitrahana ny kolontsaina, hizarana ny tsiahy navelan’ny lasa, hemetrahana no harena ara-tsaina holovain’ny taranaka sy dimby ny fomba fahiny nanamarika ny dia nolalovan’ireo Razambe ka nametrahan’izy ireo tsiaro, fandinika sy fisaina, ary ako miantraika any amin’ny tsikalam-pieritretan’ireo izay hifandimby hitaratra ny lasa hitsinjovany ny zotrampiainany amin’ny ampitso…

Ny antsoina hoe “Rova” dia ny fitambaran’ireo “fonenana”, ireo “toerana” nanehoana fomba sy kolontsaina nanandanja tamin’ny vanimpotoana iray, ary ny toerana mitahiry manafina ireo nanandratra, nampiaina, nivoy, izany kanto nokoloina izany, dia ny “fitomiandalana”, izany hoe ny fasan’Andriana niafina nodiany niatrika ny filentehan’ny masoandro…

Rava sy levona noho ny setrasetra sy ny sotasota ary lonilony ny Rova teo Ialamanga, niteraka ratra sy ahiahy, nandoto fanahy, ary nanetsika ambopo, nibabena alahelo tsy fidiny, nefa nanosika kosa finiavana hanadratra ny zara sy tamberina navelan’ny lasa, ary fitiavana mirehitra tsy azo kosehina sy ainga ampo erampanahy hisarika ho any amin’ny fitaizana norantovina sy nifanolorana, fanilo mitsinjo ary mbola hitsimbinana ny lahatra aloaky ny ampitso…

Saropady ny toerana misy fasana, saropady ny fanaovana anjoria sy lamina ary fihetsika tsy mifandraika amin’ny lalantsaina ary fombapiaina napetrak’ireo efa nialoha làlana niamboho namonjy ny toerana mangatsiaka hiafina tsy ho hitan’ny masoandrom-piainana…mampididoza, miteraka ozona, manota fady, manolotra anjara ratsy, ary manosihosy kolontsaina ravaky ny tantara…fa indrindra manazimbazimba ny Hasin’ny lova ara-tsaina izay napetraka ho an’izay tandrify izany…

(hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS