Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 12h44
 

Répondre à un commentaire

10 février 2020 à 11:46 | Vohitra (#7654)

Zavamisy eny anivon’ny fiarahamonina :

Miova tokoa ny toetrandro, indraindray mafana tena migaingaina, indraindray mangatsiaka mandrivotra, ao ny voan’ny sery sy gripa, ao ny lasa mikohaka…

Misy indray niharan’ny lalànan’ny fampiasambola (LFI 2020), ka noho ny hetra sy tataonketra dia niakatra be ny vidin’ny sigara, lasa mifoka itony « gauloises » itony ireo tsy mpifoka izany fahiny, tsy zakan’ny tratrany angamba, dia lasa mikohaka ny sasany…

Ao ny noana sy ny tsy ampy sakafo, mihena ny hery fiarovana ao amin’ny vatana, mora lazoan’ny aretina, dia tratry ny tazo, miakatra ny maripàna…

Raha zohiana dia toa tsy mbola tonga aty ny « coronavirus », fa ny fisehon’ny aretina sy fahavoazana dia toa tsy mifanalavitra amin’ny an’ity valan’aretina mandripaka any Chine ity, saingy ny aty amintsika dia vokatry ny fahantrana sy ny tsy fisiana…

Enga anie, enga anie, mba tsy ho tafiditra aty izany fa tena ho zavadoza tokoa angamba…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS