Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 16h01
 

Répondre à un commentaire

9 février 2020 à 15:10 | Vohitra (#7654)

Mirediredy tsy misy farany ity ramatoa be ity, efa zatra mihinana amam-bolony mihintsy !

2011 dia tsy maintsy atao ny fifidianana filohampirenena manaraka, ary ny mpivaro-dronono dia efa tsy afaka milatsaka amin’izany intsony.

Efa nampiantso olona tsy TIM avy any anindrantany I Ravalomanana ny volana desambra 2008, ary nangataka azy ireo handrafitra lalàna mikasika ny antoko politika, ary handrafitra sata ho an’ny antoko mpanohitra…

Nahafantatra an’io ilay razokibe tsimahafotsy tsy valahara, ary natahotra fa sao dia hivadika ho olona avy any anindrantany no ho filoha manaraka handimby an’ilay mpivaro-dronono…

Tsy nijanona intsony tamin’ny fangatahana ny fialan’ny minisitra roa (ny fitantanambola sy ny fananantany) ny fitakiana, nanosika mafy ilay tsy valahara tsimahafotsy hanafainganana ny raharaha, andeha atao ny fangaronan-dapa, ary asiana ny sorona…

Resaka fotsiny ny Air force 2, Daewoo, sns, sns, fa ny tanjona mazava dia na inona hidona na inona hitranga, dia ny haka fahefana…

Maika, maika, maika…

Fanontaniana : hatraiza ny fahefan’ny Ben’ny tanàna amperinasa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS