Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 17h58
 

Répondre à un commentaire

3 décembre 2019 à 10:07 | Ibalitakely (#9342)

Mankasitraka & mankatelina,
Dia misaotra indrindra ny vahôk’ malagasy tena nahay nifidy nanomboka iny taona 2018 iny, ka mankasitra & mankatelina indrindra ny mpanao gazety, na an-tsoratra na @ haino aman-jery, nanoro & nitarika ny Malagasy ampy taona tamin’izany. Nitsinjo tanteraka ny taranaka amam-para tokoa ianareo ka mahaiza mamafa tarehy raha sendra hipitihin’ny rano novelesina.
@ izao fotoana izao tokoa mantsy dia nahavita be tokoa ry Rossy & Aniah & Miala any be zesta (Tsiliva) satria efa nivoaka DVD avokoa na ny tonony na feon’ireo lalàna mahasoa voadinika tsara. Misaotra nifidy ny depiote Rasamimanana P.B izay mitana tanteraka ny teny nomeny tahaka ny hoe « tsy hanao pôlitika intsony aho … » nefa izao izy indroa voafidy izao. Misaotra ihany koa mbola niverina nifidy ny depiote Aniah izay nitsotra tanteraka nandritry ny fampielezan-keviny nilaza fa « misy tsy vita ao @ boribory tany faha telo ao ka mbola hanohy ny tsy vita », izany hoe mbola ho fidinareo in-telo in-efatra fara faha keliny fa hisy hatrany ny tsy vita. Misaotra ihany koa mbola namerina ny fahatokisanareo ao @ boriboritany faha roa ny depiote Rakotomanga Lanto mba hafahany mivezivezy andro alina amin’ny fiara mitondra vola miliara anaty baoritra, tsy hay hoe avy aiza & ho entina aiza ?? Farany misaotra anareo [tantsaha indrindra] nifidy olona iray nampanantena anareo fa hitsinjo anareo ohatra amin’ny alàlan’ny fanotofana & fivarotana ny tanim-barinareo amin’ny mpandrrraharrah ho feno trrrano morrra. Mankasitraka e !!
Fa raha izao fifidianana ben’ny tanàna izao indray no lazaina dia mila olona matotra & mahatoky hono !! Ka raha ny eo @ kaomina Ivato – Ambohidratrimo – ANALAMANGA ohatra no asiana famintinana kely dia tohy izao :
1)- ny taona 2004 dia lany ben’ny tanànan’Ivato t@ alàlan’ny kiravato mena ingahy Gôdy na Rasoamiaramanana Godfrain. Rehefa tonga ny fanonganam-panjakana ny 2009 ka naharitra dimy taona ny tAtezamihitatra dia nijanona ben’ny tanàna ihany tao foana izy.
2)- & ny taona 2014 indray vao nisy fifidianana ben’ny tanàna ka nikiravato manga i Gôdy saingy tsy nahazo hafa tsy laharana fahatelo taoaorian’izany RANDRIANARISOA Penjy [TIM] & R. Lydia [tsy miankina] izany. Tsetsatsetsa tsy haritra fa toa mampahatsiahy ny volana martsa 2013 tao @ FUTURA Andranomena izany laharana fahatelo izany.
3)- dia izao « tsy mahalala menatra io » izao ny tgv-udrc-mapar-armada-ird-…- ka dia i Gôdy ihany indray no notsiponiny ho kandidà eo Ivato amin’izao 2019 izao. Fa aza dia gàgenao raha toa ka ho lany tampoka indray izy e !! Efa vonona mantsy ny ceni [comité électoral national indécis] hanipy baolina any Ambohidahy any izay efa vonona rahateo ihany koa amin’ny « azo raisina fa tsy mitombona ». Samia velona hoy hatrany ny namana iray izay.
- DIA ASA NA FAHAFIRY INDRAY I GÔDY irk TAMIN’ITY INDRAY MITORAKA ITY ??
http://www.midi-madagasikara.mg/a-la-une/2019/12/03/problemes-sociaux-le-ffkm-interpelle-le-pouvoir-2/

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS