Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h42
 

Répondre à un commentaire

28 novembre 2019 à 22:23 | Krista Kristiaoe (#10737)

Aza malaky faly isika Malagasy, na iza na iza no ho lany eo.

Ny ekipan’ ny mpandresy ihany no hisitraka avy hatrany ny fandresena, ary izy samy izy ihany no hanangona ny vola sy harena, ary hifampizara izay tombontsoa ho azony eo fa tsy hisy hanombinany ho anao akory na dia iray aza.

Ny andro fifidianana ihany sy hahitana ny valiny fandresena no hifalian’ ny vahoaka nifidy fa avy eo hiverina hilomano amin’ ny fako sy rano maloto ary ny adim-piainana mahazatra tahaka ny misy ankehitriny. Tsy hisy fahagagana vetivety akory fa tsy maintsy hisikimponitra, hitrongy, ary hiasa mafy vao hisitraka ny vokatry ny fandrosoana.

Raha mbola mahantra isika Malagasy ary raha mbola ny vazaha, ny sinoa sy karana ihany no manjaka eto dia tsy hampiova inona izay fifidianana, fa tsy maintsy hitady ny tombontsoany hatrany ireo, hanohy ny kolikoly fanaony, ka ny ben’ ny tanana voafidy no hampiasainy hanafaingana ny fangalarana ny tanin’ ny Malagasy.

Koa mivavaha mafy amin’ Andriamanitra mba hanomezany fahendrena ny ben’ ny tanana
ka hahaizany hiady amin’ ny fahavalompirenena sy hitsinjo ny madinika ary amin’ izay isika vao hiandrandra fampandrosoana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS