Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 16h43
 

Répondre à un commentaire

26 novembre 2019 à 13:36 | Rakoto (#5814)

Tsy misy manakana ny fandrosoana syn y hananana zavatra tsara sy moderna anie. Fa au contraire tokony hiroso amin’izany. Kianja ny Mahamasina tsara dia tsara ny hanavaozana sy hanatsarana azy fa eo amin’ny resaka financement sy fitatanana aoka mba ho mangarahara sy madio ary fantatry ny olona rehetra mazava fa tsy hatao foana maizimaizana dia lazaina foana koa fa avy amin’ny filoha ? Indrindra indrindra koa isika vahoaka mila mihova toe-tsaina tsy hatoky be fahatany na hanaratsy be fahatany fa mila mahay mijery sy manana ny fotonkevitrintsika tsirairay.
Niresaka tana-masoandro ny filoha tamin’ny resaka Mahamasina io. Tokony havelan’ny fitondrana koa ny fametrahana foana hoe mpanoharina izay tsy mitovy hevitra aminareo fa tokony hijery izay tsara sy ratsy havoakan’ny olona. Fomba ahoana no hanohanana ny tana-masoandro nefa olona tantsaha maro no ho very tany sy tanimbary ary fotompivelomana amin’io. Tsy ampy vary ny gasy nefa tanimbary 1000ha efa mamokatra tsara no ho simbana hatakalo izany hoe birao ministera aloha amin’ny phase voalohany hoy ny filoha, azo hatao tsara any aminy toeran-kafa io na havela koa aloha eo aminy misy azy izao fa havaozina tsara fotsiny. Ankilany raha totofana ny 1000ha dia ho dibadrano ny toerana iva eto Tana. Ankoatra izay hoe ho priorité ny fambolena dia manomboka amin’ny vary izany ka hisy fifanarahana amin’ny orinasa sinoa hamboly vary any Marovoay asa 5000ha sa 10000ha moa izy teo dia hoe hanome asa ny gasy. Tsy hitako izay tokony izay hahavitan’ny fanjakana izany ka hanao investissement amin’izany izay tokony ho priorité au lieu de Tana-masoandro ka homena ny tantsaha gasy mivantana fa tsy homena ny orinasa sinoa indray.
Niresaka iles éparses koa andro vitsy izay. Na inona antoko na inona firehana na inona finoana dia amiko ny firenena masina tsy maintsy tokony miray hina foana. Ny ady eto dia gasy sy vazaha fa tsy resaka hafa. Sady refa nivoaka tamin’iny fihaonana voalohany iny koa anie fa tsisy zavatra hafa nentin’ireo vazaha fa ny teo ihany ny teo eh. Ka tsy maintsy mandresy isika amin’io tsy tokony ho rebireben’ny vazaha fa miaraka miray hina tanindrazana io. Jereo fa mitovy amintsika I Maurice ary mbola nahazo valiny tamin’ny ONU vao tamin’ny Mai 2019 teo tamin’ny resaka Archipel Chagos ka nandidy mazava ny ONU fa tokony hamerina io archipe chagos io amin’ny Maurice ny Anglisy ao anatin’ny 6 mois. Mazava loatra fa refa tena tsy hanaiky ny Frantsay ka hiverina eo amin’ny ONU ko any gasy dia tsy maintsy mitovy amin’izay koa no ho valiny. Resaka be ny teto hoe tsisy gasy mahafantatra anio nosy io syn y sisa resaka fanaovana tsinotsinona ny gasy izay efa fanaon’ireo vazaha hatramin’izay. Raha maka ohatra tsotra isika hanazavana ny zava-misy dia toy ny olona hatao hoe naka fiara iray dia refa namerina azy amin’ny tompony izy dia no tazoniny ny pneu de secours sy accessoires hafa dia azy ireo satria tsy fantatry ny tompony akory sady tsy hainy akory ny mampiasa azy, nanapaka ny polisy na tribonaly fa tsy maintsy haverina amin’ny tompony ireo dia normal tokony hiverina amin’ny tompo. Toy izany koa ireo îles ireo an’ny gasy ireo na arageografika na aratantara na araka ny lalana international. Nisy teny tsara nolazain’ny PM Mauricien tamin’ny fitakina ny îles Chagos dia hoe La colonisation ne sera plus tolérée

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS