Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 11h39
 

Répondre à un commentaire

25 novembre 2019 à 20:36 | Krista Kristiaoe (#10737)

Sambany no nisy loza lehibe nanjo ny toby ka mahalasa lavitra ny eritreritra.

Raha tena afo tsy fanahy iniana izao fa vokatry ny tsy fitandremana dia tokony hitandrina ny vahoaka amin’ ny fandrehetan’ afo ka tsy mamela ny ankizy hanao izany samirery, na koa mila manorina ny trano hifanalavitra fa be loatra ny trano hazo mifanakaiky eto Madagasikara ka mora andairan’ ny afo. Koa dia mirary ny mpiray tanindrazana hifanampy, ny fanjakana sy ny BNGRC hanatanteraka ny andraikiny amin’ izao voina izao.

Raha ezaka atao hanapotehan ny fiangonana kristiana izao dia mila maka lesona amin’ ny tantara fa mandritra ny 2000 taona dia nanao izay ho afany ny fahavalompiangonana namono, sy nandoro ny Baiboly fa tsy nahovoka ka noho izany na inona ny inona no hataon’ ny fahavalo dia ho sasapoana izy ireo fa tsy hahafoana na oviana na oviana ny fivavahana kristiana satria Andriamanitra no miaro izany.

Raha tetiky ny vahiny mpanambola kosa izao hitrandrahana vatosoa dia mila miambina ny vahoaka. Mety misy mpanambola nahita harena sy vatosoa ambamin’ ny tany koa dia dorana ny tanana mba hanorenana orinasa lehibe hitrandrahana vatosoa tahaka ny niseho tamin’ ny faritra hafa. Tokony mitsangana ny vahoaka hiaro ny tanindrazana ka tsy manaiky hivarotra ny taniny amin’ ny vahiny izay hanararaotra izao fahavoazana izao.

Kanefa sao dia fitsapana na kapoka avy amin’ Andriamanitra kosa anefa izao. Be loatra ny faharatsiana misy eto Madagasikara, ny kolikoly sy fampijaliana ny madinika ka ny tobim-pitahiana mihitsy no voa. Koa mila mibebaka ny Malagasy fa sao dia ho ratsy kokoa noho izao no hanjo ny firenena. Maharipo anefa Andriamanitra ka samia mivavaka fa mampieritreritra ny loza maro misy ankehitriny.

Trafonkena ome-mahery ka samia mieritreritra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS