Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h19
 

Répondre à un commentaire

6 novembre 2019 à 10:52 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Fomba tokoa ny mangata-pitahiana rehefa hanangana sy hizotra amin’ny làlam-baovao iray, ny Malagasy rahateo, indrindra ny teto ankibon’Imerina dia efa hatry ny ela no nametraka ny finoany tamin’ny Zanahary mpahary eny fa na dia nitazona ny fombany ihany koa tamin’ny fanajana ny Razana aza.

Nanomboka ary ny fandresendahatra, samy manana ny hanitra ho azy tokoa, saingy miavaka ihany ny manana ny tena mahafantatra ny tanàna sy manana ny fahakingana mifandray sy mifanakalo hevitra, isany tanora efa sangany tokoa amin’izany i Randriamasinoro Rina.

Ilay mpifaninana iray moa efa somary novesaran’ny taona ihany na dia mivimbina sakaiza tanora tokoa aza, asa tsy fantatra na noho izay fizokiana izay fa ny tsapa dia toa somary marikivy tsy dia ahitana tsiky, toa tsy dia tomady loatra angamba fa somary malaina mihetsika. Ireo mpiara miasa aminy fahiny teo amin’ny sehatry ny fandraharahana aza moa dia mba niloabava ihany koa fa efa mba manomboka miteny Malagasy hono ity rangahy iray ity izao, fa tsy toy ny omaly, na dia mbola tsapa aza fa somary sahirana eo ampamakiana ny toriteny, azafady ny vakiteny nampanaovina azy.

Hita sy tazana nanatrika ny vakiteny nataon’i Naina omaly fa ny mpanatrika mpihaino dia tsy niova, ireo mpankato sy mpomba tsy misy fepetra ny fandraisana ny fahefana taminkery ny taona 2009, fa isany hosinganina manokana omaly dia teo amin’ny laharana aloha indrindra i Ratsirahonana Norbert Lala. Hahita loza sy antambo indray Antananarivo fa indro efa miseho tokoa ny mpandrava ny Firenena sy mpivoy savorovoro ary mpamadika ny fahamarinana.

Avy hatrany dia tsy nihambahamba ny vakiteny, tonga dia fampanantenana zavontany tsy misy farany no nataon’I Naina, efa io ilay fomba mahazatra fanao tamin’ny taona 2018 teto amin’ny Firenena, tsy nolazaina na ny loharanombola na ny hiaraka misalahy sy mpiombonantoka fa ny anaran’ilay filoha no naverimberina natao ambetinteny.

Inona indray no hamidy sy mbola hototofana ho setrin’ity fampanantenana iray dia marenina ity re e ? azo ahiana tokoa raha ny fahitana ireo borisatroka nihofahofa tànana nihaino ny vakiteny.

Mitandrema ry Antananarivo, aza amidy ny fanahy sy ny tena ary ny tany ! isika eto Antananarivo no fototra sy ampinga miantoka ny fahaleovantena sy ny rafi-piarahamonina tena Malagasy mba tsy ho voazimbazimba sy atao sorona ka hivarotana randrana tsy mendrika

« Faly raha tonga Ny Rina fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina »

Mankasitraka antsika e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS