Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Répondre à un commentaire

11 octobre 2019 à 14:51 | Antony (#9838)

Tamin’ny Magro mbola nisy tamin’izany fotoana dia mba nividy kilalao anjanako tany aho. Fa ilay filaharana handoa vola e ! hay ! hay ! hay ! Tsy milamina mihitsy... Tena raha izao no fitondrana ny orin’asa toy izao mba manao ahoana no fitondrana ny firenena ? Mila miova... Tonga ary ity tovolahy vao erotrerony niseho ho olom-baovao... Tena nanaiky aho tamin’izay fa ito no ho solon’ilay iraika lahy hitondra avo kokoa ilay firenena... Nilatsaka maire tao andrenivohitra ary lany... Nisompatra ilay tompon-toerana. Normal, raikitra ny fitarihina an-dàlam-be ! Dia hoy ny tena hoe mahalala ny tokony ho ataony izy ary natoky ny tena tamin’izay hoe efa hitany koa io krizy maneran-tany io ary ataony vetivety tsy toy ny tamin’ny 2002 dia mivaha ny krizy teto an-toerana... Fa nisy ministera anankiray izay hoe alain-dry zalahy dia efa eo ambavahady vao nifanontany ry lerony hoe inona no fombafomba tokony ho atao ? Gina aho tamin’izany ary nahateny tamin’ny vadiko hoe maty aho fireneko... Inona tokoa, Ra8 any amin’ny tany tsy fantatro any no lazain-dry zalahy ho blocage nahatonga ny tetezamitatra... Avy eo olona tsy nivonona ny hitondra firenena no nasaina sa natolotra sa notolorana fahefana... Mazava ho azy fa vao mainka nilentika ilay firenena... Ary dia io no noararaotina io fa ilay notolorana fahefana no tena fositra sy nandiso fanantenana... Izao amin’izay ry lerony no mitondra, raha tsy tafita sanatria ilay IEM... An’iza indray ny fahadisoana ? Azoko tsara ka mbola tsy tapitra ilay 5 taona fa tsy maintsy hoe miandry an’lay 5 taona izany vao tokony hahita vokatra fa ny marina ve tsy hoe ny fanombohana no ahitana ny mety ho fiafarana ? Ilay izy koa moa, ny tokony mahavita tsy mahay milomano miaraka amin’ny vahoaka rehefa fifidianana dia io no vokany... Ny manirikiry dia arakaraky ny fandrosoana misy, i Gasikara vao mainka miemotra sady amin’izay isika vahoaka mihitsy no miara-manaiky hoe isika izao mihitsy... Indramiko ilay fitenin’lay ranamana iray izay SAMIA VELON’AINA

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS