Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 13h38
 

Répondre à un commentaire

4 octobre 2019 à 20:25 | Krista Kristiaoe (#10737)

Mihevitra ve isika fa ny Malagasy izay mahantra no hipetraka sy hiasa amin ’ izany Tanamasoandro izany. Izao no hiseho ao Tanamasoandro. Hiantso ny vahiny mpandraharaha ny fitondrana Malagasy ka ireo no ho lasa tompontany ary ny Malagasy ho tonga hangataka ao. Isika Malagasy dia fatrapanaja vahiny ka raha tonga ny vahiny dia omena ny avarapatana fa ny tompontrano kosa mihafy. Raha tena tia sy mihevitra ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy ny mpitondra dia asehoy amin’ ny fihetsika fa tsy kabary ny fikasana tsara anananareo. Raha te hanatsara ny renivohitra ny filoha nahoana kay raha ny trano marobe efa misy izay ratsy sy tsy hay iainana no hatsaraina ? Ahenao ny karamabenareo ka anampio ny faripiainan’ ny Malagasy mahantra mpiray tanindrazana. Alao ireo orinasa vahiny feno sinoa sy karana ka ampidiro mpiasa gasy madinika maro hiasa ao. Aza iantsoana vahiny ireo tolobidy marobe anananareo fa omeo ny Malagasy manampahaizana mahavita izany. Manankarena voajanahary maro i Madagasikara. Aoreno amin’ ny faritra manana izany ny orinasa tandrify hampandrosoana ny firenena. Ohatra ny orinasa mamokatra angovo avy amin’ ny masoandro atao any Toliara fa tsy Antsirabe. Raha tiana ny hanatsarana an’ i Madagasikara ankapobeny dia tokony atomboka any ambanivohitra aloha fa tsy amenoana ny tanandehibe izay efa feno sy sempotra. Raha ireo no hita dia ho mora kokoa ho an’ ny fitondrana no handresy lahatra ny vahoaka amin’ny programany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS