Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h13
 

Répondre à un commentaire

4 octobre 2019 à 12:24 | Vohitra (#7654)

Manantitra ny arahaba Tompoko,

Tsy misy madilana hotentenina akory izay navoitry ny lahatsoratra, mitombina sy marimpototra avokoa, ary efa maro izay fanehoankevitra natao teto mikasika ity fotodrafitrasa kasaina hajoro ity, atao ahoana tokoa moa raha misy ny miziriziry manao mafy hatoka, manao tsy ho lavon’ny hevidravina sy ny dihindoha ary tarazo hibosesehan’ny ambo tefen’ny saina ilaozan’ny fiheverana.

Ialamanga sy Imerina efatoko fahizay dia toerana niorimpaka amin’ny tsipi-mirahaabo avo ary voajanahary vokatry ny fandrintany izany, ireo mpanazary fahiny dia nandinika izany tolotra nomenjanahary izany, ka nihezaka nametraka ny fototra nampanjariana ny fiainan’ny mpiarabelona ka niainga tamin’ny zava-nisy fahizay.

Vao nandroso ka nanosika ireo razambe vazimba nonina tamin’ny toerana avo fahizany ireo mpanazary fahizay, efajato taona mahery lasa tokoa efa navalon’ny tantara, dia ireo lakandrano sy vahilava fifehezana ny rano sy ny famoahandrano no nimasoany, anjato taona no nitondrana ny fanajariana, ezaka sy finiavana goavana, ary notsinjovina tokoa ny fivelomana sy aron’ny aina ary nataony ho lasitra niadiana tamin’ny mosary ihany koa ny finiavana nanazary nifehy ny tontolo.

Fantany fa masiaka ny vanimpotoana asara, ary ireo masondrano voatahiry amin’ny lafintany ambany dia niboiboika tokoa tamin’izany vanimpotoana izany namonjy ny fandrin’ny fikoriandrano ary nitoby nanenika ny vodintany ary mazàna toa nanao andrintahotra nandidon-doza ny vohitra nanodidina. Tsaroana anjato taona taty afara fa niharan’ny dibodrano sy fefika Antananarivo ny taona 1959.

Fisintonana lesona ny tantara sy ny lasa, mampidi-doza io fanotofana tany tsy ampiheverana io, efa niseho ny loza fambara vao volana vitsy izay, rotsakorana mivatravatra adiny roa monja dia tamin’ny fahafaratra farany teo dia dibodrano hatreny ampototry ny fe ny teny Ampefiloha, Anosy, Isotry sns, sns…

Inona no antoka omenareo izay tompomarika amin’io fanotofana io ny mpiarabelona fa tsy hitranga izany loza voajanahary izany vokatr’io fanotofana ataonareo io ? hilaza indray ianareo fa na i Ravalomanana aza mba efa nanototra ihany koa, iza no sahy hilaza moa fa tsy diso ihany koa izy nanatontosa izany ? aza ny hadisoany no entinareo hanamarinan-tena ny fikasanareo izay ahiana tokoa hisy akony ratsy eo amin’ny tany sy ny fiainan’ny mpiarabelona.

Raha hiziriziry moa ianareo, fa maninona raha tsinjovina ny ain’ny vahoaka izay mety ho fefiky ny tondra-drano ? afindrao amin’ny toerankafa io fikasanareo io, tsotra anie izany e, mbola misy ny toerana midadasika eo anelanelan’i Mahitsy sy Ankazobe, tsy misy tany hotontofana sy tanimbary hogejaina any, ary mihitatra ny tanàna.

Sady tsy laharampahamehana mihintsy anie ity fikasanareo ity rehefa zohiana ny toekarempirenena e, tsy ahitan’ny be sy ny maro tombotsoa io fotodrafitrasa io, mandalo fahasahiranana zavontany ny Firenena, noana sy tsy zarizary avokoa ny fiainan’ny maro, sady miendrika fanilikilihana sy fihavahana ary mampibaby trosa tsy hampitombo fihariankarena iaraha-mizaka io tetikasa io.

Ary ity no hafatra mba tiana hatsipy, aleo atao hoe hatolotra amimpanajana sy amin’ny fanetrentena ho anareo tompopahefana sy manamboninahitra ary tompomarika amin’izao tetikasa izao : tsy rariny kosa raha ny harena iombonana, tany sy harena ankibontany ary fananampanjakana no atao antoka hatolotra ny mpitao raharaha sy mpampiasa vola mifanontrona aminareo, iombonana ireo harena ireo, aoka tsy ny safidy manokana vokatry ny fampanantenana nataonareo no hahakizo fara eto ka ny lova iraisana no atao tamby atolotra ny mpijirika.

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS