Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h47
 

Répondre à un commentaire

4 octobre 2019 à 10:28 | Isandra (#7070)

"Ny Tanà-Masoandro dia tsy tetikasa fivarotana tany ho an’ny fanorenana manokana na tetikasa fiazarana trano fonenana fa FANORENANA TANANA VAOVAO entina mamaly ny filàna misy eto amin’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny.

Natao ho ana mponina 300 000 ny tanàna ka ny 100 000 amin’ireo dia honina tanteraka ao ary ny 200 000 dia handalo hiasa sy hivezivezy isan’andro. Ahitana sehatr’asa sy fotodrafitrasa izay ilaina rehetra an-tanandehibe, izay hiteraka sehatr’asa maro mihoatra ny 40.

Tetezana lehibe miampita ny ranon’Ikopa avy amin’ny làlana mandalo ny marché artisanal Digue no fidirana lehibe, izay mitohy amin’ny avenue lehibe mirefy 3,6km.

- Ny 1/4n’ny tanàna dia hahafahana mandray ny resaka varotra sy fandraharahana rehetra izay ilain’ny mponin’Antananarivo kanefa tsy ahitany toerana intsony ankehitriny (tsena isan-karazany, centre commercial, fivarotana fiara occasion, trano 2 lehibe mijoalajoala lamaody, sakafo,…)
- 200 Ha natao ho an’ny trano fonenana ho an’ny tokantrano amin’ny fidiram-bola antonony sy trano fonenana haut standing, handray tokantrano eo amin’ny 20 000 eo.
- 100 Ha natao ho an’ny faritra indostrialy tsy mandoto (non polluante), hahitana kilasimandry ho an’ny mpiasa amin’ny orinasa lavitra trano fonenana.
- 75Ha ho an’ny toerana ho an’ny daholobe, toerana maitso, ary ny Akademia Nasionaly ho an’ny fanatanjahantena avo lenta
- 50 Ha hamindrana sy hamondronana ireo ministera sy biraom-panjakana hafa mba hanatsaràna ny asa atolotra ny vahoaka
- 45 Ha ho an’ny fotodrafitrasa misokatra amin’ny any ivelany : toerana fandraisana fivoriana sy fampirantiana iraisam-pirenena (CCI et palais des expositions), trano fandraisam-bahiny lehibe, toerana ho an’ireo masoivoho vahiny.
- 30 Ha ho an’ny fanabeazana (EPP, CEG, lycée, université, toeram-panofanana arak’asa) sy ny fitsaboana manaraka ny fivoarana.
- Toerana fanarahana maso ny tanàna, fanadiovana rano, famatsiana herinaratra, fanodinana fako sy ireo fiahiana ara-teknika ilaina rehetra.

Vinavinaina hamokatra harena mitovy amin’ny vokarin’ny Tanànan’Antananarivo amin’izao fotoana izao Tanà-Masoandro rehefa vita sy mihodina tanteraka ny tanàna, izany hoe 42%n’ny harin-karena faobe ankehitriny, manome 4,64 Milliards $ eo raha atao kajy amin’ny PIB Madagascar 2018.

Inona no ho tanterahina voalohany ? Rahoviana no hanomboka ny asa fanorenana ? Araho hatrany ny pejy ho an’ny tohin’ny fanazavana sy fampahafantarana ny tetikasa."
FB Tanà-masoandro

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS