Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h13
 

Répondre à un commentaire

13 septembre 2019 à 11:18 | Vohitra (#7654)

Ny tena fahamarinana sy fitiavana ny mpiarabelona dia ny fandavana sy tsy fanekena ankitsirano ny :

-  Ny fikasana hametraka an’Antananarivo ho toby sy toerana hanafenana ny harena sy vola maloto sy remby voavory tamin’ny fanaovana anjoria sy fibodoana aminkery ny harempirenena nalaina tamin’ny fitaka avy any amin’ny Faritra hafa, miteraka ozona izany mitahiry halatra izany ary tsy fomba fitaizana velively teto

-  Hanolorana ny tanàna sy ny herimpon’ireo Raiamandreny mpitarika sy mpitsinjo fahiny ho lasa sehatra hanehoan’ny menamaso sy ireo tarika andianjiolahy mpiaradia amin’izy ireo ny fitiavankarena sy voninahitra ka hametraka ho tanjona ny fanapotehana ny kolontsaina sy fitaizana teto Iarivo

“ Menamaso an-daoka, ka manao fatra-maina”

“ Aza ny hodi-boanjo fanary no atao sakafo mahavita”

Dia hita miharihary tokoa anie fa rehefa hiasa ho an’ny Firenena ireto mpively rano ireto dia milaza fa “dombo ny angady”, fa rehefa hihinana ny harempirenena rizalahy dia milaza fa “maranitra ny sotro” e !

Iza moa ireto manao fahirano an’Antananarivo efa ho roa volana mahery izao ? Ireo ny oranjy lozitra efa rakotra olitra…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS