Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 11h25
 

Répondre à un commentaire

13 septembre 2019 à 10:34 | Vohitra (#7654)

Mahereza Randriamasinoro Ny Riana, vimbino ny fahavononana ary ataovy loloha ny finiavana hiaro an’Antananarivo tsy ho lasa remby sy tolotra atao takalo ho an’ireo mpijirika sy kinga amin’ny famitahana sy lainga, aleo misoroka mba tsy ho latsain’ny nenina ka hanolotra indray ny ho avin’Antananarivo ho eo ampelatanan’ireo mpamadika ny tanin’ny Razana sy ny Tanindrazana hanolotra azy ho sorona handevonana ny tantara.

Nisy tokoa ireo taranaka mpiray tsikombakomba tamin’ny mpanjanatany efa hatrany amin’ny taona 40 sy 50 tany, nandevona sy nanao izay hampandamoka ny tena fitiavan-tanindrazana teto, ho avy tsy ela ny fotoana hanehoana mibaribary eto hoe iza moa no mpamadika ny tolona ho fikatsahana ny fahafahana teto, aoka tsy atao sorona ho an’ny voay be maro rantsana ny ho avin’ny taranaka, ary hiseho tsy ho ela hoe iza tokoa moa noho ny fitiavankarena sy voninahitra no namitaka sy namadika teto ka nitondra ho any amin’izao fahapotehana sy fahalovana izao.

Mazotoa ary sikino hatrany ny fahavononanao Randriamasinoro, Mankasitraka e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS