Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 19h42
 

Répondre à un commentaire

13 septembre 2019 à 09:26 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Nampiseho indray ny fandeferany sy ny fahavononany hiroso any amin ny tsy fanaovana laharam-pahamehana ny hambopo politika i Ravalomanana Marc.

Efa nasehony izany tamin ny tsy nametrahany ho tanjona intsony ny fikatsahana ny toeran ny mpitarika ny mpanohitra teo anivon ny Antenimiera, ary nasehony ihany koa teo amin ny fampandraisana anjara feno ireo antoko hafa ivelan ny TIM amin ny fitantanana ny zotra omban ny rodoben ny mpanohitra.

Fandresena goavana no natolotry ny TIM ho an ny rehetra izay tsy mankasitraka ny fijery tokana mamoafady sy velirano sesehena lainga sy fitaka ary angoantenda mamahan-dalitra ka nanolorany ny kandida Randriamasinoro Tahiry Ny Riana eto Antananarivo Renenivohitra ho Ben ny Tanana :

- olombaovao izy, tsy mpikatroka politika matihanina, ary tsy mpitarika eo anivon ny rodoben ny mpanohitra, ary manampahaizana avy eo amin ny ENAM, izany dia ho antoka maneho ny fisokafana ary fahavononana hitondra hevi-baovao hampandrosoana an Antananarivo, ary mba hialana sy hanalavirana ny ady saritaka izay hambolen ny sasany raha i Ravalomanana no naroso

- olombaovao tsy nandray anjara tamin ny ady saritaka sy savorovoro politika teto amin ny Firenena ny taona 2002 sy 2009 no kandida, izany dia ho fametrahana ho tanjona ny filaminana sy ny faniriana handroso, ary ho fitsinjovana ny ho avy ho an Antananarivo tsy ho sehatra hanjakan ny hatezerana atosiky ny hambopo politika diso toerana ka hitondra fahapotehana toy ny tamin ny 26 janoary 2009.

Ny zavatra azo hosinganina nitranga omaly dia ity :

Tamin ny fampisehoana ny kandida natolotry ny Ird/Mapar omaly teny amin ny pk 0, dia hita sy tazana teny daholo ireo voay be sy kiady ary poizina izay nanohana ary nandray anjara tamin ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, ireo tompomarika tamin ny tetezamitatra nandritry ny 2009-2013., ary isany nisongadina lohalaharana tazana teny i Ravatomanga Mamy.

Hatramin ny ora farany ny Ird/Mapar dia nihevitra fa i Ravalomanana no kandida lehibe hifaninana aminy, ary izay fankahalana an i Ravalomanana izay no nataony hampitambatra ny fijery ho an ireo mpanongam-panjakana sy mpandrava Firenena. Vonona hanao sorona an Antananarivo Renivohitra indray izy ireto raha i Ravalomanana no kandida teo.

Mazava ary ankehitriny ny ho safidy. Mila arovana sy vonjena Antananarivo

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS