Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 16h21
 

Répondre à un commentaire

13 septembre 2019 à 09:52 | lysnorine (#9752)

@ betko 12 septembre 2018 à 13:22 répond à NTMO ^

1) « AVANT TOUT cela faudrait trouver des INSTITES et des profs BIEN FORMÉS »

Voalazanao tsara ny tena tokony ho ZOKIN-DRAHARAHA dia : fanefena sy fanazarana mpampianatra « avo lenta » hampianatra any amin’ny ambaratonga voalohany no tena ilaina ary averinay tsara eto, mpampianatra mampianatra ny ampianarainy MISAINA TSARA amin’ny fisainana malagasy, MAMAKY TENY, MANORATRA, MANISA, sns., sns, amin’ny TENY MALAGASY, izany hoe amin’ny tenin-drazana mahazatra azy any an-tokantranon-dray aman-dreniny.
Tena tsy fantatray aloha na aiza ho aiza ankehitriny no toerana misy ny « Écoles normales » fanomanana « instituteurs » sy « institutrices » fahizay, fa ireo « Instites » ireo aloha no tena ilaina lavitra noho ny manana izao sy izao mari-pahaizana izao avy eny amin’ny Oniversité. Ary KARAMAINA LAFO sy omena tombontsoa manokana izy ireo eo amin’ny FONENANY . Soso-kevitra : ny manana diplôma ambony avy eny amin’ny Oniversité, indrindra ny tsy manana asa, no ilaina sarihana hanaraka fanofanana ho MPAMPIANATRA amin’ny ambaratonga voalohany - na aiza na aiza eran’ny Nosy - ka tsy maintsy mahafehy ny TENY MALAGASY tsara aloha izany.
Torak’izany ihany koa ny pôlitika harahina mba hahazoana mpampianatra MARO ambony fahaizana amam-pahalalana ho an’ny sekoly AMBARATONGA FAHAROA . Miara-dia amin’izany fanondrotana tsy tapaka ny fari-pahaizan’ireo mpampianatra ireo ny fanavaozana ny zavatra kendrena ho hain’ny ankizy tsara mandra-pahatapitra ny fe-potoana hianarany na amin’ny ambaratonga voalohany [izay tsara ho faritany ho ny FOLO taona voalohany nandiavany sekoly, izany hoe mandra-paha-feno azy dimy ambin’ny folo taona eo ho eo izany], na amin’ny ambaratonga faharoa izay azo ferana ho TELO taona ny fianarana aminy. Ny mari-pahaizana fandanian’andro ankehitriny tahaka ny CEPE sy ny BEPC aloha dia ilaina foanana na havaozina mba hifanaraka tsara amin’ny teknôlôjia misy ankehitriny ny fahaizana amam-pahalalana tokony hananan’izay rehetra nahafaka ny fanadinana.

2) « Paraît que qu’il y a deux priorités qui sont prioritaires pour un état , l’éducation et la santé . »

Mifanindran-dalana ireo kanefa ny FAHASALAMANA no mila tandrovana VOALOHANY : Rehefa tsy salama ny ankizy sy ny olon-dehibe, tsy afaka hianatra sy hamokatra tsara. Ko miainga any amin’ny fitsimbinana ny vehivavy mitondra vohoka izany sy ny zaza mena vava. Asa izay niafaran’ny nantsoina hoe « centres de protection maternelle et infantile » izay tokony ho nampitomboina ny fielezany eran’ny ambanivohitra. Miaraka amin’izany ny fampianarana ny ANKIZY any an-tsekoly sy ny vahoaka hitandrina ny fahasalamany HISOROHANY ny aretina mety mamely azy (médecine préventive, fahadiovana na hygiène, nutrition na fitaizana momba ny sakafo sy ny hanin-kohanina). Mazava ho azy fa mila mpandraharaha amin’ny fahasalamana MARO KARAZANY ny amin’izany eo anilan’ny dokotera mpitsabo (mpampivelona, infirmières, ny nantsoina taloha hoe « infirmières-visiteuses », nutritionistes, manam-pahaizana manokana amin’ny « laboratoires » fandefa MIVEZIVEZY [laboratoires ambulants], etc....Mazava ho azy fa TSY MAINTSY TSARA KARAMA daholo koa ireo.

Raha ny politika nampiharin’ny mpitondra nisesy teto no zohiny dia toa nataony zandrin-draharaha ny fanefena ireo mpampianatra sy mpitsabo mpanampy ireo.
Koa tsy mahagaga raha nitambotsotra izaitsizy ny Malagasy ary miharihary izany amin’ny tsy fahaizan’ny vantotr’olona na olon-dehibe ankehitriny manoratra tsy misy diso (na ny tsipelina na ny gramera) sy maneho mazava tsara ny heviny sy ny tiany holazaina amin’ny teny gasy... na amin’ny teny frantsay rehefa io no ampiasainy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS