Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Répondre à un commentaire

13 septembre 2019 à 09:26 | lysnorine (#9752)

RE :
- nez_gros ,12 septembre 2019 à 09:38 -
« mon avis : Virer tous les ambassadeurs, et « surtout FERMER tous les [un certain nombre d’] ambassades(ILS NE SERVENT À RIEN) trop budgétivore ; juste on embauche un ou une secrétaire pour taxer le passeport, les copies divers et variés »

- I MATORIANDRO, 12 septembre 2019 à 11:44
« Tokony foanana daholo ireo diplomaty @ ireo firenenan TSY DIA AHITANA [NY FIRENENA sy ny VAHOAKA] TOMBONTSOA [na tapiany akory aza !] manoloana ny FIKASAN-DRATSY HANDRAVA NY ANTENIMIERAN-DOHOLONA. »

Amin’ny ankapobeny dia mitombona tanteraka ireo voalazanareo ireo. Efa im-betsaka ihany izahay no nanolotra hevitra tahaka izany teto. Fa ny tena mahatalanjona dia odian’ ny mpitondra nisesy teo amin’ny fitondrana teto tsy hita na tsy fantatra fa : EFA LANY ANDRO ange izany ambasady sy ambasadaoro izany hatramin’ny fandrosoan’ny TEKNÔLÔJIA eo amin’ny FIFANDRAISAN-DAVITRA sy ny HAFAINGAM-PANDEHAN’ ny FITATERANA ankehitriny. Hafa ny taloha ! Koa saiky HAINGON-TRANO sy FIRAVAKA fotsiny sisa no tena ilan’ny FIRENEN-DEHIBE MANAN-KARENA ambasadaoro eo amin’ny fifandraisany amin’ny any ivelany, satria na Filoham-panjakana na ministra dia afaka mifampiresaka MIVANTANA ankehitriny. Rehefa tena ilaina dia afaka mitsoriaka mifampitsidika ny mpiandraikitra. « FIZAHAN-TANY » no fanampiny ny maha- haingon-trano azy – ankoatry ny fitsikiloana sy fanjanahana mivantana na an-kolaka ary ny fikotrehana fanonganam-panjakana ! – ny amin’ny ambasadaorony halefany aty amin’ny tany tsy mety mandroso fa toa miha-mahantra lalandava manerana an’i Afrika sy eto Madagasikara.
Ny amin’ireo Fanjakana mahantra ireo dia mazava fa HAITRAITRA DISO TOERANA ny fihazakazahany mba hanana ambasady etsy sy eroa eran-tany, mitomany ny randrana manendrika ny sasany, ka maka tahaka befahatany ny fanaon’ny MPANAN-KARENA. Mahatonga ao an-tsaina ilay ohabolan’ny Ntaolo hoe : « MITAFA AMIN’NY MPANANKARENA KA RAHA TONGA MITAIN-KIDIN-TRANO », izany hoe raha ny pôlitika nijoroan’ny mpitondra eto amintsika no ampiharina azy dia : MANAO VARO-BOBA ny harem-pirenena (mandra-paha-RITRA azy !), sy ny FANAMBANIN’ny tokantranom-pirenena fototry ny ainy (« infrastructures nationales vitales ») sy MIVAROTRA ara-bakiteny ny TANINDRAZAN’ny sarambaben’ny tompon-tany Malagasy amin’ny OLON-KAFA FIRENENA mpanefohefo izay hanorina tsikelikely « TANÀM-BAO » maromaro hanjakany eran’ny Nosy. Tsy asian-teny akory ny FITROSANA tsy misy farany amin’ny any ivelany manamafy ny rojo FANANDEVOZANY ny toe-karen’i Madagasikara sy ny Vahoaka Malagasy ary ny mpitondra azy.
Indro averinay eto ny soso-kevitra narosonay tamin’ny 2016 momba ny tokony hanakatonana ambasady, sy consulats any ivelany [ lysnorine, 25 novembre 2016 à 09:20 ao amin’ny « Les députés forcent l’inscription des 4X4 dans la loi des finances 2017 »,
https://www.madagascar-tribune.com/Les-deputes-forcent-l-inscription-des-4X4-dans-la-loi-des-finances-2017#comment326843 ]

Vitsy dia vitsy ihany no ambasady tanana dia ny any :
- FRANTSA sy ALEMAINA ary ROSIA, any Eôrôpa ;
- ETAZONIA (Washington), any Amerika
- SININA any Azia
Ireto kosa no tokony hakatona ary efa MANANA AMBASADY ETO ANTANANARIVO rahateo izy ireo :
1) MANODIDINA an’i Madagasikara : AFRIKA ATSIMO (ambasady sy consulat), MÔRISY, LA RÉUNION (consulat) ;

2) EÔRÔPA :
. PARIS : UNESCO, ka ny ambasady ihany no miandraikitra azy tahaka ny natao HATRANY AM-BOALOHANY ary NANDRITRA NY TAONA MARO.

. LONDRA, ’’UNITED KINGDOM’’ : Tahaka nefa nisy taloha dia ny ambasady ao Paris ihany no misahana ny fifampiraharahana aminy ;
. BRUXELLES (BELIZIKA) : afindra amin’ny ambasady ao Paris ny andraikiny rehetra.
. GENÈVE (SOHISY) : afindra amin’ny ambasady any Alemaina (Berlin) ny fifandraisana na amin’ny fanjakana Sohisy na amin’ny ny fikambanana iraisam-pirenena mitoetra ao Genève
. ROME (ITALIA) : mbola ny ambasady any Alemaina ihany no asaina misolo toerana azy

3) AMERIKA ;
.OTTAWA ( KANADA , ka ny ambasady any Washington ihany no misolo toerana azy)
.NEW YORK ( Firenena Mikambana : ny ambasady any Washington ihany koa no misolo toerana azy)

4) AZIA
.TOKYO (Japanina) : Ka ny ambasady any Pékin no misolo toerana azy. Ny ngoaibe vondrona orinasa Japoney isan-karazany [« KEIRETSU »] dia efa hatry ny ela rahateo no nanana karazan’ambasady teto Madagasikara azon’ny Fanjakana Malagasy ifampiraharaha mivantana.

.NEW-DELHI (India) : Efa manana ambasady eto Antananarivo io Fanjakana io.

.ATSINANANA AFOVOANY
. RIYAD (Arabia Saoudite)

5) AFRIKA Akatona DAHOLO ny misy ankehitriny
. Algeria [ny Consulat ao Marseille sy ny ambasady ao Paris no ifampiraharaha aminy]
. Senegal
. Addis Abbeba (Firaisana Afrikanina)
Ankoatr’izay tsy voatonona raha misy.

Zahao koa :« L’inutilité des ambassades au 21° siècle… et ses leçons pour l’unité africaine »
2 mai 2013, par Jean-Paul Pougala
https://www.taurillon.org/L-inutilite-des-ambassades-au-21o-siecle-et-ses-lecons-pour-l-unite,05726

Farany, « où sont passés les diplomates de carrière tels les ministres plénipotentiaires » hoy i Vohitra etsy aloha 12 septembre à 11:27. Ny avy amin’ireo IRERY ihany mihitsy no hany tokony ho tendrena ambasadaoro sy hiasa amin’ny ambasady (« Conseiller d’ambassade », « secrétaire d’ambassade », « secrétaire & attaché des affaires étrangères ») ankoatry ny « comptable » sy ny « chiffre ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS