Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 14h14
 

Répondre à un commentaire

9 septembre 2019 à 12:17 | Vohitra (#7654)

Marina sy mitombina hatrany ny filazan’Itompokolahy Ralaindimby Tsilavina rehefa nanambara ny zotra entin’ny mpanao politika Malagasy mandray anjara amin’ny fiainampirenena.

Sangodina 4M hoy izy izay !

Mangalatra dia avy eo Manohana, dia avy eo Mitondra dia avy eo Manohitra.

Mila tapahana io sangodina io raha mikasa ny hiroso any amin’ny fandrosona sy fiovana isika.

Izay namoafady sy nandika lalàna dia ilaina atolotra ny fitsarana omena ny sazy mendrika azy.

Dia ilaina ny fampiharana tsy misy fanavahana ny lalàna.

Ary izay meloka noho ny kolikoly sy fanodikodinambolam-panjakana dia gejaina ho fananam-panjakana ny harena sy fananany.

Ny indro kely dia ity : ary ilay didy hitsivolana mandidy ny fakana sy fitazonana sy fangejana ny harena tampoka tsy misy porofo dia toa mbola tsy navoaka ho lalàna velona !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS