Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 19h13
 

Répondre à un commentaire

9 septembre 2019 à 11:30 | Vohitra (#7654)

Spliff,

Fa inona no olana raha misy ny faha-samihafana ? Tsy hoe atao « raha » na « angamba » fa misy tokoa izany, moa tsy voajanahary va izany ?

Samy hafa ny olona, na finoana na fomba na fitaizana na fihaviana na toetra.
Ny didy aman-dalana sy ny fifanajana no mitarika ny olona hametraka lamina hiainana izany faha-samihafana izany ao anaty fiarahamonina.

Ary raha mihezaka ny ho tandalana isika dia mahatsapa fa mitovy ny rehetra ary samy eo ambanin ny lalana avokoa.
Matoa tsy mbola tandalana ny tany, dia tsy mbola tena nampiharina sy niainan ny mponina ny lalana.

Ny olona no samy hafa, fa ny lalana dia mitovy ho an ny olona.

Harena ny faha-samihafana, ary voajanahary ny tsy fitoviana, ny hadisoana sy tsy ara-dalana, ary lavin ny fiarahamonina dia ny mivoy ny tsy fitoviana entina hambolena disadisa izay mitondra any amin ny fifankahalana ary miteraka korontana.

Azo atao tsara ny miresaka ny faha-samihafana fa tsy mety ny fanambaniana na fankahalana anaty tsy fitoviana.

Mazava aminao ve ny hevitro ?

Iray izay no tsy hitovizako hevitra mihintsy amin ilay oliva lozitra fisainana iny, mikasa ny hamboly disadisa mifototra amin ny tsy fitoviana izy mba hanenjehana foko iray !

Azo sokafana sy hitarina tsara ny adihevitra rehefa atao aminkitsimpo.
Manasa anao ary amin’ny adihevitra ho tohin’ny omaly e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS