Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h31
 

Répondre à un commentaire

3 septembre 2019 à 11:15 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Misy teboka telo mba tiana havoitra manolana ity tranga hafahafa somary mahazendana ity.

Ny roa voalohany dia ombako miara-manana amin’ny Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety raha naneho hevitra izy omaly, mahitsy sy tamim-pahamatorana tokoa ny fanehoankeviny :

-  Tsy olondratsy, tsy jiolahy, tsy nahavanon-doza ny mpanao gazety nanao ny asany, ka nahoana no notazomina nandritry ny 48 ora ?

-  Raharaha henjana sy goavana tokoa ve matoa ny andro sabotsy sy alahady no nanaovana ny fanadihadiana sy famotorana ary fakana ambavany ?

Ny teboka fahatelo hasongadina dia izao : misy ambopo diso toerana ve sa tsy fahalalana ankitsirano ny fomba ara-dalàna sy ara-panjakana ara indrindra indrindra noho ny antony fifanajana amin’ny maha samy tomponandraikitra amin’ny tandrify azy, fa resaka fampahafantarana tsotra anie no tokony natao nefa tsy natao e ! Miziriziry amin’ny tsy marina no teny tsotra filaza izany.

“ Aza mila voa tsy ary : mangata-pary iray vany ka mitady izay tsy hiraisana “

“ Tsiboboka sy Toho : rano no iraisana fa ny tarehy samy hafa “

“ Aza manao fon’ny mpanefy : mikapo-dalitra ambony vilia ka mamoy sasanangy tsy satry”

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS