Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 21h34
 

Répondre à un commentaire

16 août 2019 à 11:33 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Miroso ho ay amin’ny fihemorana isika, marina tokoa ny voalazan’ny mpanolotra lahakevitra.

Betsaka ireo efa nambara sy navoitra izay mikasika ny tokony hitazonana ny vanimpotoana hanatanterahana ny taompianarana voasoritra ao amin’ny drafitra PSE izay.

Nandray ny fanapahankeviny ny lehiben’ny governemanta sy ny mpikambana ao aminy. Tomponandraikitra feno sy tanteraka amin’izany izy, ary handeha hapetraka amin’ny anaran’ny praiminisitra izay drafitra ho toy ny fanatanterahana io drafitra io.

Tomponandraikitra tokoa izy rehefa :

-  Marefo sy tsy ampy sakafo sy saozanina ny kilonga manovo fahalalana satria tsy misy vokatra
-  Misy very sy lanin’ny voay na hiharandoza vokatry ny rano miakatra ny mpianatra
-  Rehefa midonaka tevehin’ny hafanana tafahoatra ny zaza ka rendremana ampianarana
-  Rehefa tsy voavory ny hoentimanana amin’ny kojakoja ho fampitaovana ny zaza mianatra ka tsy mandefa ny ankizy hianatra ny raiamandreny
-  Rehefa ambany ny tahan’ny ankizy milatsaka antsekoly mba ho fanampiana ny ankohonana hianjadian’ny tsy fisiana mandritry ny maintso ahitra
-  Rehefa betsaka ny mpianatra voan’ny aretim-pivalanana vokatry ny fisotroana rano maloto satria lavitry ny trano fonenana ny sekoly

Fanapahankevitra sy safidy ny azy, azy ny fahefana, azy ny voninahitra sy ny hery, aleo ary hiantsorohany izay vokatry ny fanapahana noraisiny.

Omaly alina reha nijery fahitalavitra tsy miankina iray ny tena dia zendana sy torakovitra tokoa raha nahita ity ramatoa iray nilaza fa tokony hotazomina ihany izao vanimpotoana fianarana misy izao satria hoy izy “ rariny loatra raha mandeha vakansy miaraka amin’ny raiamandreniny ny mpianatra “. Dia izany ve no fotopisainana sy tsangankevitra hanaovana sorona ny zanaky ny tantsaha maroanisa e ?

Tsy misy fitsinjovana mihintsy ireo Malagasy maro iray rà aminy ireto andian’olona ireto, mipetraka ny saranga tsy mitovy, mipetraka ny fifanipahan’ny tanandehibe sy ny ambanivohitra, ary miharihary tsy takona hafenina fa tsy mahafantatra ary tsy miezaka ny hahafantatra akory ireo tantsaha ny mpitondra.

Aiza re no misy vary vakiambiaty miakatra volana aogositra, mba lazao re raha misy izany a ? ny vary jeby any Marovoay aza efa voajinja daholo amin’izany !

Tandremo ary moa e !

“ ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka “

“ tsy mety raha tsy mena-milahatra toa nify sosona “

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS