Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 19h28
 

Répondre à un commentaire

13 août 2019 à 11:24 | Eloim (#8244)

Tsy misy maharatsy io tolo-dalàna avy @ Député Brunel io. Fenitra démokratika fahita eran-tany izany fanoherana anaty andrim-panjakana parlemantera izany.
Tsy voatery i Marc Ra8 koa no hipetraka eo @ toeran’ny Filoha lefitra natokana ho an’ny Mpanohitra. Manamafy ny lalàna fa afaka ny Lehiben’ny vondrona parlemantera maro an’isan’ny mpanohitra no maka io toerana banga io. Raha tsorina izany dia ny lehiben’ny vondrona parlemantera TIM izany.
Na dia i Marc Ra8 aza no TOKONY lehiben’ny Mpanohitra, lojika nateraky ny valim-pifidianana Filoham-pirenena farany teo, dia tsy voatery izy no lasa Filoha Lefitra @ anaran’ny Mpanohitra, na dia misy fandikàna hafa aza hoe tsy député voafidy izy kanefa kosa nanandaja ara-pifidianana izay kilasiana koa ho isan’ny voafidim-bahoaka.
Ny tena mahamety an’i Marc Ra8 dia Mpanatanteraka fa tsy mpanao lalàna, na dia tsy tokony hisy aza ny fanavahana olona @ andraikitra tokony ho sahanina eo @ firenena.
Raha ny mikasika ireo antoko hafa milaza ho mpanohitra dia hita fa tsy mahafeno akory ny fepetra takiana @ fanoherana tsy misy korontana. Fanoherana @ alalan’ny demokrasia mivantana no takian’izy ireo. Korontana nefa no aterak’izay satria ny hetsika takiana @ zany dia na fampiasana haino aman-jery na fidinana andalam-be. Fanoherana midika fanonganam-panjakana izany satria miteraka korontana, midika fihemorana ara-demokrasia indray. Dia hitohy ihany ve ny afindrafindrao mahazatra ka hifanongana eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS