Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Répondre à un commentaire

10 août 2019 à 12:00 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Mivory indray ny mpanohitra, ny andro moa Sabotsy tsy fotoampiasana, ary ny toerana hivoriana dia toerana mihaja sy ambony lafo vidy ka indro fa toa mahalasa eritreritra tokoa.

Rehefa hoe mpanohitra no resaka, dia tonga ao antsaina avy hatrany ny hetsika fanoherana sy ny fotokevitra entina mitondra sy mampiaina ny fanoherana.

Raha ny hetsika fanoherana fitondrana mijoro teto amin’ny Firenena no topazamaso sy atao jeritamberina, dia matetika ny fotokevitra nentina dia maritombina sy maharesy lahatra sy mahaliana tokoa satria raha singanina dia maneho foana ny hoe :

-  Tsy fanajana ny fahalalahana, na io fanehoankevitra na io fandraisana anjara amin’ny fandraraharahana ara-toekarena na ara-panjakana

-  Fividianana safidim-bahoaka mandritry ny fifidianana na koa famolavolana lalàna manome vahana ny mpifaninana tohanan’ny fitondrana

-  Kolikoly sy risoriso eo anivon’ny fitantanana ny raharaham-panjakana

-  Fanitsahana ankitsirano sy ankarihary ny lalàna velona eto amin’ny Firenena

-  Tsy fitsinjovana ny tombotsoan’ny maroanisa eo anivon’ny fiarahamonina

Matetika dia ireo raha fintinina no tsiry manentana sy lohahevitra hiompanan’ny fanoherana nitranga teto amin’ny Firenena, ary izany fanoherana izany rehefa miotrika sy miofo ho lalimpaka ka mandifotra sy mandroboka ny fiainam-piarahamonina, dia miroso ary mivoatra ho any amin’ny hetsika sy fifandanjankery ary mivadika ho fifandirana mivantana mety mitondra ho any amin’ny fandrodanana rafi-panjakana sy fitondrana mijoro.

Niseho foana izany nanomboka ny 1972, nandalo ny 1981, nitondra nankany amin’ny 1991, tonga tany amin’ny 2002, ary niainana ny 2009.

Ny hetsika politika fanoherana, hatramin’ny vanimpotoana repobilikanina, izay rehetra nitranga teto amin’ny Firenena nefa dia TSY nahatratra mihintsy hatrizay ny tanjona napetraka sy nimatimatesana sy nanaovana fanambarana miezinezina, TSY nanova ny fizotry ny fiainampirenena ho any amin’ny fivoarana mibaby vokatsoa iombonan’ny maro no sady TSY nitondra fanavaozana ny rafim-pitantanana ara-politika teto amin’ny Firenena.

Fa nahoana tokoa ary ?

Io ary ianareo fa hifamory ao amin’ny hotely Carlton, iza indray no mamatsy ara-bola io fivoriana ao io ? iza no mihevitra hisoratena ho mpitondra ny fanilo hitarika ny fanoherana ? inona indray no fotokevitra politika mazava hamaritanareo ny fiantsorohana ny andraikitra ho mpanohitra ?

Atao ny fanoherana, atao ny hetsika, aseho ny firaisankina, atao ny fandresendahatra eny amin’ny fiarahamonina, hirosoana ny kabary ankalamanjana, ho tonga any amin’ny fifanandrinana, dia avy eo inona no mitranga ? Jiolahy sy mpangarompaosy sy tontakely ary mpandroba indray no lasa mahazo fahefana sy tompon’ny fanapahana…fa nahoana ary ?

SATRIA tsy olona madio sy tia tanindrazana sy tia fiarahamonina ary mahalala ny Malagasy no mitarika ny fanoherana foana teto. Ny olona marina sy madio dia tsy manambola hoentina miatrika tolona ara-politika, ny olona marina sy madio dia tsy manana afatsy Fanetrentena sy Fahavononana ho entina miatrika fanoherana, dia indro fa tonga misosoka mandroso tsy nisy mpirary ny amboadia, ny mpihatsara velatsihy, ny faingantànana, ny rainilainga, ny mpivarobava mpanao angoantenda, ary ny mpikarama an’ady politika, indro izy ireo fa misoratena ho mpanohitra, ary mitondra vola maloto tsy fanta-pihaviana hamatsiana vola ny fanoherana.

Aleo ho tsorina ny resaka : raha mbola mpanao politika efa nanana andraikitra na nandray anjara na niara-nisalahy sy efa nifanome tànana tamin’ireo mpitondra teo aloha sy ny ankehitriny no mitonona ho mpanohitra, dia mbola TSY ho tratra ihany izay tanjona hapetraka sy harafitra eo.

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS