Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 00h18
 

Répondre à un commentaire

9 août 2019 à 11:40 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Ny Ben’ny Tanana ho lany fetr’andro hiasana afaka fotoana fohy, ny Lehiben’ny Faritra tsy misy, ny mpanolontsainamparitra tsy misy, dia inona izany no azo lazaina hoe tetibola tena miainga avy any ifotony amin’izao e ?

Ny tetikasa fampandrosoana novolavolaina teny anivon’ny Kaominina no tokony harindra sy halamina eny anivon’ny Faritra, izay ny Faritra vao manao ny fifampiraharahana sy fandinihina hiarahana amin’ny Fanjakana foibe.

Ary ny olomboafidy feno sy maritombina no tena tomponandraikitra amin’izany famolavolana tetibola izany, fa raha izao zavamisy izao dia ny mitranga dia ny Fanjakana foibe no mampianatra ny fomba entina handrafetana tetibola izay miainga avy amin’ny politika ankapobe norafetin’ny rafitra politika avy eny antampony fotsiny ihany.

Fa inona indray koa ity hoe « décentralisation émergente » ity e ?

Fitsinjarampahefana amin’ny fivelezandrano sa famoahandrano ?

Mankasitraka e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS