Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 18h39
 

Répondre à un commentaire

31 juillet 2019 à 11:20 | Vohitra (#7654)

Manantintra ny fiarahabana Tompoko,

Nalaza tokoa ny anarana Rajaonah Mbola nandritry ny vanimpotoana nitondran’ Andriamatoa Rajaonarimampianina Hery ny fanapahana teto amin’ny Firenena .

Tandapa mpanolotsaina, mpandraharaha mpanefoefo, mpisahana raharaha eny amin’ny fadintseranana, ary tato afara mpanao politika.

Teto amin’ny fiarahamonina indray dia tsy vitsy ny maneho hevitra fa olona tompon’ny fanapahana eto amin’ny Firenena koa izany, ary to teny ao andapa hono.

Izao izy mivahiny eny Tsiafahy ! taratasimbola tsy misy antoka, kolikoly, famotsiambola maloto, hosoka, izany no hitazonan’ny Fitsarana azy.

Teto amin’ny tantaram-pirenena, ny fitondrana politika rehetra nifandimby dia nahitana foana mpandraharaha ara-toekarena nisongadina tampoka ho lasa mpanefoefo, mpanambola hikohizana, maranitra sy fetsy, ary akaiky ny fitondrana ary milalao eo amin’ny sehatra politika.

Nanomboka tamin’ny fitondran’ny Filoha teo aloha Ratsiraka Didier ka hatramin’izao dia bola misy foana izany.

Lasa TOHATRA sy VIKINA eo amin’ny fahombiazana ara-piarahamonina ny fiarahana sy fanaovana ny politika miaraka amin’ny mpitondra fanjakana .

FEHINY : Fa tsy i Rajaonah Mbola irery no anie no nanao izany e ! fa aiza ny sasany ? mbola voaaro sy misy miaro satria MENAMASO TANDAPA ?

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS