Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h19
 

Répondre à un commentaire

31 juillet 2019 à 10:52 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Minisiteran’ny Fanabeazampirenena hono !

Ity minisitera iray ity mihintsy amiko no tokony hanompanana fandinihina lalina sy fanavaozana .

Ny Fanabeazana anie ka tsy voafehy fotsiny amin’ny resaka fampianarana e ! Tokony ho voafehy ao anatin’ izany tontolon’ny fanabeazana izany na ny fampianarana na ny kolontsaina na ny vakoka.

Ahoana no hitondrana fanabeazana nefa ny mpianatra tsy mahafantatra na mahafehy akory ny kolontsaina sy ny firehana ara-piarahamonina araky ny fandroson’ny vanimpotoana ?

Ahoana no hitondrana ny fanabeazana nefa ny mpianatra tsy mahafehy akory ny hoe inona no antoka hisian’ny fiarahamonina mirindra ?

Etsy andaniny, tokony hametraka mazava ny fitondrana sy ny fanjakana hoe « inona marina no heviny sy andraikiny amin’izany hoe fanabeazana ho an’ny rehetra izany ? »

Manaraka izany, tokony hatao izay hamerenana ho laharam-pahamehana ny hoe « fanabeazana miantoka ny ho avin’ny taranaka ».

Ny anton’izany dia tsotra : tsy maro mihintsy no mametraka fa misy ho antenaina ny ho avy raha misy dingana vita eo amin’ny fianarana sy ny fahalalana.

Tsy mipetraka intsony eto ny hoe TOHATRA sy VIKINA hoentina mivoatra eo amin’ny fiarahamonina ny fahalalana.

Nopotehin’ny mpanao politika jiolahy fahavalompirenena io fomba fijery sy fisainana io. Ny KOLIKOLY no fositra nanimba sy nahatonga izany zavamisy izany.

TSY NY NIANATRA sy ny MAHAY ary ny HENDRY ary TO TENY intsony no tompon’ny fanapahana sy mitondra ny fanavaozana ara-piarahamonina, fa ny JIOLAHY sy TONTAKELY mpanambola !

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS