Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h56
 

Répondre à un commentaire

13 juillet 2019 à 11:27 | dakamanja (#10684)

Ny antsika Barea iany.
Asio fitatazana rakitra kely anie @ io fitsenana io e ! Ngamba tsy otr’inona ny vola azo !

Saingy ry zareo ao @ Serasera sy ny Kolontsaina mitsivalana fa tsy mitovy @ fitondrana ny PSG hono ny fitondrana ny Barea ! Ko nahoana ny supporteur des Bleus toa orinasa privée ? Nahoana io TF1 mahafatifaty anareo io no nandefa publicité misy ny sarin’ny joueur Bleu t@ Mondial teo ? Nahoana no tsy mety raha privé no manohana ny Barea, nefa ny olan’ny Barea hatr@ zao de resa-bola foana ? Mbola hibahanan’ny fanjakana foana ve ny fisehosehoana fa manohana ny Barea izy, tahaka ny @ sport hafa. Hohitanareo fa ho anisan’ny lalana hanosika azy handositra any @ tranony any maorisy io fomba io @ 2023 ( raha tsy hoe lasa mpanohitra daolo isika rehetra @ zany fotoana izany )

Tahaka izao no ho fanakianantsika @ zany fotoana izany :
@ 2023, hoy isika, fitondrana dedaka ka ekipa antitra be ireo no nidedahana tany Guinée.
@ 2023, hoy isika, fitondrana be zesta ka ekipa veteran ireo no nandaniana andro tany Guinée nefa ny fahantram-bahoaka tsy jerena.
@ 2023, hoy isika, fitondrana tsisy ilana azy fa nandany vola be tany Guinée, nefa ekipa resy lava no notohanana tany, aiza ve ka 5 à 0 ny score kely indrindra.
@ 2023, hoy isika, Budget am-panjakana laniana fotsiny any Guinée, nefa ny vahoaka eto an-toerana mijaly (aiza @ zay le kere any atsimo sy eto Tana).
@ 2023, ... (ianareo milona @ politika mahita betsaka kokoa noho izaho)

Dieny zao 2019 zao, apetraho mazava ny famatsim-bola ny Barea, atsangano ny Foundation Barea privée ka aleo ny mpilalao Barea no hifidy ny mpitantana azy, de asio société marketing Barea hanao ny dokam-barotra. Raha tsy mazava ny vola, de ho ravoravo natentina iany izao miseho izao. Raha fitondrana tsy mieritreritra ( aoana moa ilay betro) ka tsy mitsinjo afa-tsy ny anio, de miantso loza ho azy.
Rehefa tsy hanao ny vaventy, aleo ataontsika madinika. Ireto ohatra mety atao fitadiavam-bola ho an’ny madinika ka asiana sarin’ny mpilalao Barea : fonon’entana Barea, lambaoany sy lambam-pandroana Barea, savony barre Barea, sira sy siramamy Barea, dite sy dipoavatra Barea, vatomamy sy bisikoitra Barea, tsakitsaky sy siligoma Barea, satroka sy kapa Barea, harona Barea, sns.
Raha tsy lasa gaboraraka io mantsy tsy handraisan’ny fanjakana fepetra. Sao ny vahiny indray no hisalovana an’io eto.

@ herintaona toy izao, juin 2020, tokony efa hanao entrainement eto @ firenena manodidina sy any France misy ireo joueur sasany fa tsy miandry farany vao mikoropaka. Tokony hanao analyse ireo match antsika ireo entraineur an’ny club eto an-toerana mba hisy mpilalao national maro ho relève.
Raha tsy misy izay, mifalifalia aloha @ izao fa @ manaraka mitokiky !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS