Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 11h01
 

Répondre à un commentaire

12 juillet 2019 à 08:56 | lysnorine (#9752)

« Schéma régional de l’Aménagement du territoire » (SRAT) - « Nouveau Plan de développement régional » !

Misy ireto andalan-tsoratra ireto nahavariana anay ihany niseho tao amin’ny « L’Express de Madagascar » tamin’ny 11 Jolay, tamin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe : « Diana – Le plan régional OFFICIALISÉ (?) »

« Grâce à l’APPUI TECHNIQUE et financier de la Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit (GIZ) et la concertation (?) des différents acteurs (?) régionaux, la Diana est dotée, actuellement, de nouveaux documents importants pour SON DÉVELOPPEMENT, à savoir le SCHÉMA RÉGIONAL DE L’AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE (SRAT) et le NOUVEAU PLAN RÉGIONAL DE DÉVELOPPEMENT (PRD). »

Mba taiza ho aiza, hono, no nisy ny Governemanta Malagasy sy ny Ministra Malagasy ary ny TEKNISIANINA Malagasy tamin’itony raharaha lehibe mikasika ny FANABEAZAM-BOHO ny tokantranom-pirenena itony ? Iza hono, ireo, nanefy ireo « SRAT » sy « PRD » ireo ? Fahefana avy amin’iza, hono, no nanaovany izany ? Ary iza avy ireo « différents acteurs régionaux » ireo ?

Maro loha ihany ny zavatra SAFOTOFOTOINA eto izay mitory ny TSY FANANAN’ny GOVERNEMANTA FIANDRIANAM-PIRENENA intsony eo amin’ny famolavolana PÔLITIKAM-PIRENENA hanabeazam-boho ny tokantranom-pirenena ka hampandroso ny VAHOAKA :

Amin’ny manam-pahaizana manokana momba ny Planina sy ny Ekônômia mantsy, dia tsy inona tsy akory ny antsoiny hoe « Aménagement du Territoire » fa ny tetik’asa LAVITRA EZAKA indrindra, mikendry ny hanatsarana miandalana ny MANODIDINA REHETRA iainan’ny Vahoaka iray manontolo, eran’ny Firenena, voarakitra AO ANATIN’izay PLANINA ANKAPOBENY notefen’ny GOVERNEMANTA.

Tsy maintsy misy ALOHA izany io PLANINA ANKAPOBENY io mandamina mazava tsara ny FAMPI-FIFAMPIANKINANA sy ny FAMPI-FIFANDRAISAN’ny Ekônômian’ny ZARA-TANY LEHIBE indrindra mandrafitra ny Fanjakana, etsy an-daniny, ary ny TSY FISIAN’ny FIFANINANA diso toerana amin’izy ireo eo amin’ny famokarana, etsy ankilany, dia ny : Tsy maintsy AMANTOHANA ireo ZARA-TANY tsirairay avy ireo amin’ny FAMOKARANA izay tena anànany TOMBONY, raha ny loharanon-karena voa-Janahary misy ao aminy sy ny fahaizana amam-pahalalan’ny olona mitoetra ao aminy, ary ny fanambaniny isan-karazany efa mijoro ao anatiny no banjinina. Manaraka amin’izay avy eo ny fandaminana ny tetik’asa isaky ny zara-tany ka MAMPIFANARAKA tsara ny zava-kendren’ny PLANINA ANKAPOBENY sy ny voalohan-javatra ilain’ilay zara-tany. Io angaha ilay fanavahan’ ny teny Vazaha ny « RÉGIONALISATION DES OBJECTIFS DU PLAN NATIONAL » sy « PLANIFICATION RÉGIONALE », ka tsy tokony hafangaro. Raha tsy hoe efa raisina ho toy ny fanjakana kely tsy miankina angaha ny « Région », koa tsy ilaina akory ny mbola handaniana ron-doha amin’ ity resaka hoe « décentralisation-déconcentration » ity. Tsy dia misy heviny loatra rahateo koa angamba amin’ny SARAMBABEN’ny VAHOAKA MALAGASY ny zavatra tena fonosin’ ireo TENY VAZAHA ireo.

Fa raha mbola tsy ekena kosa fa TSY fanjakana kely tsy miankina ny « région », dia mazava ho azy fa tsy maintsy efa voafaritra tsara aloha ny ZARA-TANY LEHIBE iharàn’ilay PLANINA ANKAPOBENY.
Raha ny soso-kevitra efa narosonay matetika, dia ny FANAFOANANA avy hatrany ny « Provinces » enina mbola misy ankehitriny no voalohan-javatra, ny handimbasan’ny « FARITRA » 22 azy tanteraka, ny fanitsiana ny SISIN-TANIN’ireo « Faritra » 22 ireo ankehitriny mba HAMPIFANDANJA ny FIVELARANY izay, raha alaina ara-keviny, dia sahabo ho 26 000 km2 angamba no antoniny.

Mifanindran-dalana amin’izany
- ny FAMPIFANDANJANA ny ISAN’NY MPONINA isa-paritra amin’ny alàlana pôlitika FAMPORISIHANA sy FANAMPIANA ny fianakaviana TANORA hifindra monina any amin’ny faritra izay VITSY MPONINA...kanefa be loharanon-karena voa-Janahary.

- ny famoriana ny fari-bohitra sy fari-tanàna ivelan’ny tanan-dehibe ka MIFANOLO-BODIRINDRINA , mba hisiana, eo ambany rihana indrindra, zara-tanin’ny fanjakana bebe velarana sy bebe mponina, eo ambany fanapahana tokana, ary mety tsy dia hila fanampiana be loatra avy amin’ny Fanjakana eo amin’ny fitantanana azy.
Anisan’ny zavatra tena lehibe ireo amin’izany hoe « Aménagement du territoire » izany

Tsy dia zava-tsarotra loatra angamba no mandamina ny firafitry ny fitantanana ny zara-tany isak’izay AMBARATONGA atsangana, sy izay andraikitra tokony ho tànany hahazoany MIADIDY TENA, na mandidy sy manapaka, etsy an-daniny, sy ny fanatontosany, etsy an-kilany ny RAHARAHAM-PANJAKANA mikasika mivantana ny mponina ao aminy ka tsy maintsy ankinin’ny Governemanta aminy (ohatra, ny fanisam-bahoaka, ny fitanana ny soram-piankohonana, ny lisitry ny tokony handoa hetra, sns, sns.).

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS