Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 20h35
 

Répondre à un commentaire

18 avril 2019 à 08:17 | lysnorine (#9752)

Ny tsy fakofakon-dresaka na tay tsy raha ka tsara homarihina :

1) « Raha momba ny FAMATSIANA ARA-BOLA an’ireny [KANDIDÀ ho solombavambahoaka] ireny, dia manjaka tanteraka ny gaboraraka.
« Toy ny tamin’ny fifidianana filoha, ny kandidà dia tsy voatery hanamarina ny NIAVIAN’ny VOLA AMPIASAINY, na avy eto an-toerana na avy any ivelany. Ary tsy angatahina koa ny fanamarinana ny vola nolaniana.
« [VOKATR’IZANY dia ] Maro be ny kandidà « mahaleo tena » , 515 amin’ny 803... » [izany hoe tsy natolotra antoko fa MIANKINA KOSA amin’ny MPANOME azy VOLA hanaovany ny « fampielezan-keviny ».]

- Fantatra fa ORINASA-na OLON-KAFA FIRENENA avy any ivelany na eto an-toerana, (Amerikanina, Frantsay, Karana na Sinoa, sns., sns.) no mamelona ireo kandidà hoe « mahaleo tena » ireo, hany ka ry zareo no hifehy tanteraka ny Antenimieram-pirenena rehefa lasa be anisa ny « kandidàny », hampandany izay lalàna mahasoa ny tombon-tsoany na hampandamòka kosa izay mety hanembantsembana azy.

Efa nanipy teny momba izany ihany izahay teto raha hoe hanamboatra ny lalàna mifehy ny fifidianana ny fitondran’Ingahy Rajaonarimampianina :
« lysnorine 28 février 2018 à 09:44 répond à lysnorine ^ - tao amin’ny « Le nouveau code électoral de plus en plus contesté »,
https://www.madagascar-tribune.com/De-plus-en-plus-conteste,23646.html#comment359094
« Le nouveau code électoral » : Ny tsizarizary aminy.
(tohiny)

5) ’’Le FINANCEMENT de la campagne électorale’’
’’Les recettes du compte de campagne électoral ou référendaire’’

« TSY AZO EKENA MIHITSY ny ao amin’ny andininy faha-73 manao hoe :

« mahazo mamatsy vola ny kandidà ny ’’personnes morales de DROIT PRIVÉ NATIONAL’’. Dia tena heverin’ilay nanoratra an’io angaha fa donendrina (sao tahaka azy kosa aza !) izay rehetra mpivaofy ity volavolan-dalàna ity ka tsy avy hatrany dia mahatakatra fa : OLON-KAFA FIRENENA daholo no tena ao ambadiky ity hoe ’’personnes morales de DROIT PRIVÉ NATIONAL’’, na ny VOLA AMPIASAINY, na ny TENA MPITANTANA ny orinasa ! Izany hoe ompikelin’ireo OLON-KAFA FIRENENA ireo izay olom-boafidy novatsìny vola ka tsy maintsy hanatanteraka ny sitrapony rehetra. Izay ilay FIVAROTANA TANINDRAZANA sy ny harem-pirenena.

« ’’Ces contributions peuvent se présenter sous forme de NUMÉRAIRES (!!) , de dons, ..de concours en NATURE ou en prestations diverses.’’
« Koa MAHATSIKAIKY ilay mody fanantitranteran’ny andininy faha- 74 sy faha-75 momba ny ’’personnes morales de DROIT ÉTRANGER’’ ».

2) « Ny fomba fiainan’ny solombavambahoaka » « Ny karamany isam-bolana dia 3.000.000 Ar [US$ 840], miampy tambin-karama 400.000 Ar [US$ 112] isan’andro mandritra ny fotoam-pivoriana. Manampy izany ny 3.000.000 Ar [US$ 840] isam-bolana ho solon’ny solika, ary 200.000 Ar [US$ 56] ho fahan’ny telefona. Miampy mpanampy ny solombavambahoaka* ka 5 ho an’ ny solombavambahoaka tsirairay. Raha mamita iraka eto an-toerana izy ny volan’ny hotely dia tafakatra 65.000 Ar [US$ 18.20] isan’andro, ary tsy fantatra izay omena azy raha mivoaka any ivelany izy »

*Tsy voalaza na ohatrinona avy no tontalin’ny lany hanaramana azy ireo tsiriray avy. Tsy misy raharaha ilàn’ny solombavam-bahoaka eto amintsika izany mpanampy azy izany, indrindra fa miisa DIMY, izay tsy inona fa fisehosehoana fotsiny, fakan-tahaka befahatany ny fanaon’ny any amin’ny Firenena MANAN-KARENA.

Mitontaly 6 200 000 Ar [US$ 1736] izany ny karama raikitra raisin’ny solombavambahoka iray isam-bolana.

Fanoharana amin’ny tamin’ny andron’ny fitondran’Itpkl. Tsiranana :
. FMG 120000 isam-bolana no karama raikitra raisin’ny solombavambahoaka, na sahabo ho $US 2430 tamin’izany fotoana izany, izay mitovy lanja amin’ny...US$ 20 600 tamin’ny taona 2018 (Real wage or Real wealth) ;
. Nahazo NIVIDY « bons d’essence » tsy andoavan-ketra tamin’ny ministeran’ny Vola ny solombavam-bahoaka ;
. Nasaina nohamorain’ny banky ny fividianan’ny solombavambahoaka fiarakodia aloa tsikelikely ny vidiny.
. Tsy nisy izany « mpanampy » ny solombavambahoaka karamain’ny Fanjakana izany ;

Tsarovana kely koa fa 10000 FMG, na US$ 203 teo ho eo tamin’izany fotoana izany, no karama ambany indrindra tamin’ny Fanjakana tamin’ny andron’ny fitondran’Itpkl. Tsiranana. Mitovy lanja amin’ny US$ 1720 tamin’ny taona 2018 (Real wage or Real wealth) io US$ 203 io, izany hoe tsy mifanalavitra amin’ny karama raikitra raisin’ny solombavambahoaka ankehitriny na mety mihoatra akory aza.

Arak’ireo tarehi-marika ireo, dia nidina ambany dia ambany izany ny vola raisin’ny solombavam-bahoaka oharina tamin’izany fotoana izany, koa hahagaga ve raha mora azo tambim-bola aman-karena izy ireo ary tsy manao na tsy mahavita ny asa nifidianan’ny vahoaka azy.

Koa mazava, tsy misy tokony hisalasalana na kely akory aza, fa « TSIA » no valin’ilay fanontanian’ny SeFaFi hoe : « Ny antenimierampirenena manaraka eo ve ho afaka hiendaka amin’ny eo ho eo ihany, ny fanararaotana sy ny kolikoly nahazo ireo teo aloha ? ». Ny tolo-kevitra tsotsotra hisorohana izany azo aroso amin’ny mpifidy dia izao : FADIO aloha no mifidy ireo kandidà hoe « mahaleo tena » ireo izay MIANKINA amin’ny vola avy amin’ny olon-kafa firenena ny enti-manana hanaovany fampielezan-kevitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS